Hijery ny anatiny

Ilay tranobe ao Tachkent, izay misy ny Fitsarana Tampony any Ouzbékistan.

8 NOVAMBRA 2018
OUZBÉKISTAN

Niaro ny Zon’ny Vavolombelon’i Jehovah Hanana Boky Ara-baiboly i Ouzbékistan

Niaro ny Zon’ny Vavolombelon’i Jehovah Hanana Boky Ara-baiboly i Ouzbékistan

Raharaha maromaro mahakasika ny fahalalahana ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah no nodinihin’ny Fitsarana Tampony any Ouzbékistan sy ny Fitsarana Misahana ny Ady Amin’ny Fanjakana any Karakalpakstan, faritany mahaleo tena any Ouzbékistan. Nanome rariny ny Vavolombelona foana izy ireo nandritra ny enim-bolana, nanomboka tamin’ny Martsa 2018. Didim-pitsarana efatra nanamelohana ny rahalahintsika no nofoanan’ny Fitsarana Tampony, ary ny Fitsarana Misahana ny Ady Amin’ny Fanjakana no nanafoana ny fanindiminy.

Timur Satdanov, anisan’ireo rahalahy afaka madiodio taorian’ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Tampony any Ouzbékistan.

Tonga tany an-tranon’ny sasany tamin’ireo rahalahintsika ireo ny polisy ary naka ny boky ara-baibolin’izy ireo sy ny fitaovana elektronika nisy Baiboly. Nasain’ny fitsarana ambaratonga voalohany nandoa sazy àry ireo rahalahintsika ireo satria hoe meloka ho nandika lalàna iray izay lazaina fa tsy mamela ny olona hizara boky ara-pivavahana. Soa ihany fa nanafaka madiodio an’ireo rahalahintsika ireo ny didy navoakan’ireo fitsarana ambony kokoa, ary tsy mila mandoa an’ilay sazy indray izy ireo.

Miara-paly amin’izy ireo ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany sady mankasitraka ny manam-pahefana any. I Jehovah no tena isaorantsika satria nitari-dalana sy nanohana antsika izy rehefa “niaro ny vaovao tsara sy nanamafy orina azy io araka ny lalàna” isika.—Filipianina 1:7.