Hijery ny anatiny

22 APRILY 2019
ZIMBABWE

Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Fiteny Shona ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Nohavaozina

Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Fiteny Shona ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Nohavaozina

Nisy fivoriana manokana natao tao amin’ny Efitrano Fivoriambe any Harare, Zimbabwe, tamin’ny 17 Martsa 2019. Tamin’izay no navoakan’ny Rahalahy Kenneth Cook, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina, amin’ny fiteny shona. Telo taona no nandikana an’io Baiboly io.

Efa ho 2500 ny rahalahy sy anabavy tao amin’ilay Efitrano Fivoriambe rehefa navoaka ilay Baiboly. Nisy 43000 koa no nanaraka an’ilay fandaharana mivantana, avy any amin’ny Efitrano Fanjakana 295 sy Efitrano Fivoriambe 4. Hoy ny rahalahy iray: “Tsy andriko izay hampiasana an’ity Baiboly nohavaozina ity eny amin’ny fanompoana. Tsotra sady mahafinaritra ny teny ampiasainy, dia vao mainka ianao te hamaky azy foana. Misaotra an’i Jehovah izahay amin’ity fanomezana ity.”

Handray soa amin’io Baiboly io ny mpitory miteny shona, izay miisa 38000. Hanampy azy ireo hitory amin’ny olona 9000000 mahery mampiasa ny teny shona koa ilay izy. Efa ho ny 80 isan-jaton’ny mponina any Zimbabwe izany.

Isaky ny misy Baiboly avoaka amin’ny fiteny iray, dia manaporofo izany hoe tahin’i Jehovah ny asa fandikan-teny atao maneran-tany. Faly isika hoe mihabetsaka foana ny olona afaka mamaky Baiboly amin’ny fitenin-drazany.—Asan’ny Apostoly 2:8.