Hijery ny anatiny

5 AOGOSITRA 2019
PHILIPPINES

Horohoron-tany Tany Philippines

Horohoron-tany Tany Philippines

Nisy horohoron-tany roa nandravarava ny nosy kelin’i Itbayat, any Philippines, 690 kilaometatra eo ho eo any avaratr’i Manille, tamin’ny 27 Jolay 2019. Nirefy 5,4 sy 6,4 amin’ny maridrefy Richter izy ireo. Olona 9 no maty, 64 no naratra, ary trano 266 no rava. Milaza ny tatitra iray hoe olona 2968 no voa mafy tamin’ireo horohoron-tany ireo.

Tsy nisy maty tamin’ireo horohoron-tany ireo ny mpiara-manompo amintsika. Naratra kely kosa ny anabavy iray. Simba be koa ny trano roa an’ny mpiara-manompo amintsika.

Nanangana Komitin’ny Vonjy Rano Vaky ny biraon’ny sampana, ary ampian’io komity io ny rahalahy sy anabavy mba hahazo ny zavatra tena ilainy, ohatra hoe sakafo sy rano. Hitsidika an’ireo rahalahy sy anabavy tratran’iny loza iny ny solontenan’ny sampana, mba hanampiana sy hampaherezana azy ireo amin’ny alalan’ny Baiboly.

Mivavaka ho an’ny mpiara-manompo amintsika tratran’ireo horohoron-tany ireo isika. Fantatsika hoe “Andriamanitry ny fampiononana rehetra” i Jehovah, ary hikarakara an’izay ilain’ny namantsika foana.—2 Korintianina 1:3.