Hijery ny anatiny

Vadodara, any Gujerat, anisan’ny toerana tratran’ilay tondra-drano

16 AOGOSITRA 2019
INDE

Tondra-drano Tany Amin’ny Faritra Andrefan’i Inde

Tondra-drano Tany Amin’ny Faritra Andrefan’i Inde

Araka ny tatitry ny filazam-baovao iray, dia olona 169, fara fahakeliny, no maty tamin’ny tondra-drano tany Gujerat, Maharashtra, Karnataka, ary Kerala.

Milaza ny biraon’ny sampan’i Inde hoe tsy nisy rahalahy sy anabavy maty na naratra tamin’ilay tondra-drano. Ireto no fanazavana nalefan’ny sampana:

Gujerat: Mpitory 145 no tratran’ilay tondra-drano, tany Vadodara. Tsy simba ilay biraon’ny fandikan-teny mitokana any Vadodara, izay mandika ho amin’ny fiteny gujarati.

Maharashtra: Tranon’ny fianakaviana enina no voa tamin’ilay tondra-drano, any Mumbai. Tsy maintsy nifindra toerana ny mpitory 25 any Sangli, 378 kilaometatra eo ho eo any atsimoatsinanan’i Mumbai. Manome trano vonjimaika ho azy ireo ny mpitory any amin’ny tanàna tsy lavitra eo.

Karnataka: Fianakaviana enina no tsy maintsy nifindra toerana. Ao amin’io tanàna io no misy ny biraon’ny sampana. Na teo aza anefa ny oram-be sy ny tondra-drano dia tsy naninona ny sampana.

Kerala: Fianakaviana 100 eo ho eo no nifindra tany amin’ny toerana avo ary mipetraka any amin’ny Vavolombelon’i Jehovah namany aloha izy ireo. Mbola mamantatra ny zava-misy any ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky.

Mandamina ny fanampiana tra-boina any amin’ireo faritra misy loza ny biraon’ny sampana. Miezaka mafy ny mpiandraikitra ny faritra sy ny solontenan’ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana eo An-toerana eny amin’ny saha mba hamantatra ny zava-misy sy hanampy ny rahalahy sy anabavy tra-boina. Manome izay ilaina izy ireo, ohatra hoe rano fisotro madio sy fampaherezana avy ao amin’ny Baiboly.

Mivavaka isika mba hotohanan’i Jehovah foana ny mpiara-manompo tratran’iny tondra-drano iny. Efa tsy andrintsika ny hiaina ao amin’ny “fiadanam-be”, ary tsy hisy loza araka ny natiora intsony amin’izay.—Salamo 37:11.