Hijery ny anatiny

Tany nihotsaka tany Natonin, Mountain Province

14 AOGOSITRA 2019
PHILIPPINES

Oram-be Namely An’i Philippines

Oram-be Namely An’i Philippines

Nisy oram-be sy rivo-mahery namely an’i Philippines, teo am-piandohan’ny volana Aogositra 2019, ka nahatonga tondra-drano sy tany nihotsaka. Mampalahelo fa maty ny rahalahy iray mpisava lalana manokana tsy maharitra, vokatr’ilay tany nihotsaka tany Natonin, any Mountain Province. Naratra tamin’io tany nihotsaka io koa ny rahalahy iray mpisava lalana manokana tsy maharitra. Nisy ankizilahy folo taona koa naratra tany an-toeran-kafa ary efa voakarakara tsara.

Tsy nisy simba be ny tranon’ireo mpiara-manompo amintsika. Nisy nilatsaka kosa ny valindrihana tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray any Negros Occidental, vokatry ny rivo-mahery.

Mampahery sy mampionona an’ireo mpiara-manompo tratran’iny loza iny ny biraon’ny sampan’i Philippines sy ny mpiandraikitra ny faritra.

Malahelo isika hoe maty tamin’iny loza iny ny mpiara-manompo amintsika ary mivavaka ho an’ny havany akaiky isika. Efa tsy andrintsika ny hahatanterahan’ilay hoe “tsy hotsarovana intsony” ireny zavatra mampijaly ireny.—Isaia 65:17.