Hijery ny anatiny

2 SEPTAMBRA 2019
RWANDA

Fivoriamben’ny Vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah Voalohany Amin’ny Tenin’ny Tanana any Rwanda

Fivoriamben’ny Vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah Voalohany Amin’ny Tenin’ny Tanana any Rwanda

Tamin’ny 16 ka hatramin’ny 18 Aogositra 2019 no nisy fivoriamben’ny vondrom-paritra voalohany natao tamin’ny tenin’ny tanana any Rwanda (RWS), ary tany Kigali, any Rwanda, ilay izy no natao. Nisy 620 ny tampon’isan’ny mpanatrika ary 8 ny marenina natao batisa.

Manao hira amin’ny tenin’ny tanana ny mpanatrika

Nanatrika ny fandaharana alahady Atoa Jean Damascène Bizimana, anisan’ny mpitantana ao amin’ny Fikambanan’ny Marenina any Rwanda, sy Atoa Emmanuel Ndayisaba, sekreteran’ny Filan-kevitra Nasionaly ho An’ny Olona Manan-kilema. Namoaka lahatsoratra momba ny fandaharana alahady koa ny gazety Ukwezi ary nilaza zavatra tsara mahakasika an’ilay fivoriambe any amin’ny Internet.

Mandika teny ho an’olona jamba sady marenina ny anabavy iray

Nilaza Atoa Bizimana hoe: “Tena tsara iny fivoriambe iny! Mahafinaritra ny mahita marenina avy any amin’ny faritany samihafa miray saina. Misaotra betsaka anareo Vavolombelon’i Jehovah izahay satria miezaka be mifandray amin’ny marenina ianareo. Tokony mba manatrika fandaharana mampiray saina hoatr’izao ny mpitondra fanjakana dia manao hoatr’anareo.”

Efa nisy zavatra niavaka roa koa teo amin’ny tantaran’ny RWS, tato anatin’ny roa taona. Nandamina Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana voalohany tamin’ny RWS ny sampan’i Rwanda, tamin’ny Septambra 2017. Nanomboka nandika ny boky sy gazetintsika ho amin’ny RWS koa ny sampana, herintaona taorian’izay, izany hoe tamin’ny Septambra 2018.

Hoy ny Rahalahy Jean d’Amour Habiyaremye, solontenan’ny sampana tamin’ilay fivoriambe tamin’ny tenin’ny tanana: “Mahafaly ny mahita ny fandrosoan’ny RWS, anisan’izany iny fivoriamben’ny vondrom-paritra iny. Hita mihitsy hoe nampiharin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay foto-kevitra hoe ‘Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana’! Nanehoan’izy ireo fitiavana mantsy ny olon-drehetra, anisan’izany ny marenina.”

Tena mitahy antsika foana i Jehovah matoa mandroso be ny RWS.—Salamo 67:1.