Hijery ny anatiny

29 OKTOBRA 2019
AZERBAÏDJAN

Nanome Rariny ny Vavolombelon’i Jehovah Dimy any Azerbaïdjan ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona

Nanome Rariny ny Vavolombelon’i Jehovah Dimy any Azerbaïdjan ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona

Namoaka didy ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH), tamin’ny 17 Oktobra 2019, hoe tsy tokony hosazina hoatran’ny mpanao heloka bevava ny rahalahintsika any Azerbaïdjan, izay tsy mety manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany. Nohamafisin’io didy io hoe voahitsakitsaka ny zon’ny olona iray hieritreritra sy ny zony hanana feon’ny fieritreretana sy fahalalahana ara-pivavahana. Io no didim-pitsarana voalohany navoakan’ny CEDH, izay nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah any Azerbaïdjan.

Nihatra tamin’ny fitarainana efatra samihafa voaray tamin’ny 2008 ka hatramin’ny 2015 io didim-pitsarana io. Raharaha mahakasika an’ireto rahalahy dimy ireto no ao amin’ireo fitarainana ireo: Mushfig Mammadov, Samir Huseynov, Farid Mammadov, Fakhraddin Mirzayev, ary Kamran Mirzayev. Samy nomelohina sy nogadraina tany Azerbaïdjan izy dimy ireo satria tsy nety nanao miaramila. Nilaza ilay Fitsarana hoe tsy nanaja ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona i Azerbaïdjan, satria “tena antony ara-pivavahana” no tsy nanaovan’izy dimy miaramila. Nilaza koa ilay Fitsarana fa tsy tokony hoferana hoe ny mpitondra fivavahana sy ny mpianatra any amin’ny sekolim-pinoana sasany ihany no mahazo manao fanompoana sivily ho solon’ny fanaovana miaramila. Nasainy nandoa onitra tamin’ireo rahalahy ireo àry i Azerbaïdjan.

Nomarihina tao amin’ilay didim-pitsarana hoe rehefa niditra ho anisan’ny Filan-kevitra Eoropeanina i Azerbaïdjan tamin’ny 2001, dia nanaiky hoe hametraka lalàna hahafahan’ny olona hanao fanompoam-pirenena tsy misy ifandraisany amin’ny tafika. Ankoatra izany, dia mamela ny olona hanao fanompoana sivily ny Lalàm-panorenan’i Azerbaïdjan, raha tsy mety amin’ny feon’ny fieritreretan’ilay olona ny hanao miaramila. Mbola tsy misy lalàna napetraky ny fanjakana momba ny fanompoana sivily anefa hatramin’izao ka mbola melohina toy ny mpanao heloka bevava foana ny rahalahintsika satria tsy manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.

Manantena isika hoe hanao zavatra amin’izay ny fanjakana any Azerbaïdjan mba hisian’ny fanompoana sivily azo atao, aorian’iny didim-pitsarana iny. Mandra-piandry an’izany dia mivavaka ho an’ny rahalahy any Azerbaïdjan isika mba ho be herim-po foana izy ireo rehefa manompo an’i Jehovah.—Salamo 27:14.