Hijery ny anatiny

Apex, tanàna kely any Iqaluit, any amin’ny Nosy Baffin, Kanada

17 APRILY 2020
KANADA

Fahatsiarovana 2020: Kanada

Fankalazana ny Fahatsiarovana any Amin’ny Faritra Avaratra Indrindra Amin’ny Tany

Fahatsiarovana 2020: Kanada

Niara-nankalaza ny Fahatsiarovana tamin’ny alalan’ny vidéoconférence ireo mpitory 27 ao amin’ny Fiangonana Iqaluit, Kanada, any amin’ny Vondronosin’i Arktika. Manana mpianatra Baiboly 55 ireo mpitory ireo, ka ny 12 tamin’ireo no afaka nijery ny lahatenin’ny Fahatsiarovana. Faly be izy ireo afaka nanao an’izany.

Tsy ho vitan’ny ankamaroan’ny mpianatra Baiboly mihitsy ny ho tonga hanatrika ny Fahatsiarovana. Any amin’ny faritra lavitra be amin’ny faritanin’ny fiangonana mantsy no misy azy ireo. Roa tapitrisa kilaometatra toradroa eo ho eo ny velaran’ny faritanin’ny fiangonana, manomboka eo Kimmirut. Any Grise Fiord no farany avaratra indrindra misy mponina.

Izao no noresahin’ny Rahalahy Isaac Demeester, anti-panahy ao amin’ny Fiangonana Iqaluit: “Tamin’ity taona ity vao mba nisy mpianatra Baiboly niara-nanatrika ny Fahatsiarovana taminay. Nisy mpianatra Baiboly iray any Grise Fiord nanasa olona efatra hijery an’ilay fandaharana. Olona dimy any amin’ny faritra avaratra indrindra amin’ny tany àry no niaraka taminay tamin’iny Fahatsiarovana iny.”

Betsaka ny zavatra niova noho ny fiparitahan’ny COVID-19. Hitan’ny rahalahy sy anabavy maro ao amin’ny Fiangonana Iqaluit hoe mandray soa be dia be izy ireo rehefa vonona hanova ny fahazarany.

Izao no notantarain’ny Ranabavy Kathy Burechailo: “Nampiasa telefaonina izahay rehefa nitory tamin’ny mponina any amin’ny faritra atsinanan’ny Tendrontany Avaratra. Nahafinaritra be ahy ny niresaka tamin’ny olona sasany any amin’ny toerana lavitra indrindra amin’ny faritaninay. Mijanona ao an-trano daholo ny olona dia mila fampaherezana.”

Hoy ny Ranabavy Laura McGregor: “Mitokana be atỳ aminay atỳ Iqaluit, dia miady saina be ny olona satria lasa tsy manam-bola vokatry ny fiparitahan’ilay aretina. Tsy hay mihitsy koa izay havoakan’ny ampitso. Sambany izahay mianakavy vao nanao ny mofon’ny Fahatsiarovana. Nahafinaritra ilay izy. Vao mainka tsapanay hoe tsotra ilay fankalazana sady mora ny mahita ny zavatra ampiasaina amin’ilay izy.”

Hoy ihany ny Rahalahy Demeester: “Marina fa nampifanalavitra ny fiangonanay ny fiparitahan’ny COVID-19. Mahavariana anefa hoe vao mainka nifankatia izahay nandritra ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana. Nanova be anay ny Fahatsiarovana tamin’ity taona ity!”

Efa tsy andrin’ny Fiangonana Iqaluit ny hanorina Efitrano Fanjakana, raha vao afaka manao an’izany izy ireo. Mandra-pahatongan’izany anefa, dia fantatsika hoe mitahy ny ezaka mafy ataon’izy ireo i Jehovah. Mitory ny vaovao tsara any amin’ny faritra avaratra indrindra amin’i Kanada mantsy izy ireo, ary anisan’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany izany.—Asan’ny Apostoly 1:8.