Hijery ny anatiny

14 AOGOSITRA 2020
LIBAN

Nisy Zavatra Nipoaka Be Tany Beyrouth, any Liban

Nisy Zavatra Nipoaka Be Tany Beyrouth, any Liban

Nisy zavatra nipoaka be tany Beyrouth, renivohitr’i Liban, tamin’ny 4 Aogositra 2020. Simba tanteraka ny seranan-tsambo iray any vokatr’ilay izy, ary be dia be ny olona maty. An’arivony koa no naratra, ary be dia be mihitsy ny zavatra simba. Betsaka ny tranona rahalahy sy anabavy simba. Nampalahelo koa fa nisy mpiara-manompo vitsivitsy naratra mafy. Tsy nisy namoy ny ainy anefa ry zareo.

Matoky isika fa hanampy sy hanome an’izay ilain’ny mpanompony foana i Jehovah, ilay Andriamanitra malala-tanana.—2 Samoela 22:3.