Hijery ny anatiny

3 SEPTAMBRA, 2020
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2020: Fivoriambe Voalohany Nojerena Tamin’ny Alalan’ny Video

Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2020: Fivoriambe Voalohany Nojerena Tamin’ny Alalan’ny Video

Rahalahy sy anabavy an-tapitrisany ary olona liana be dia be no niara-nijery ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2020, nandritra ny volana Jolay sy Aogositra.

Efa tena tsy andrin’ny Vavolombelon’i Jehovah izay nanatrehana an’ilay fivoriambe hoe “Mifalia Foana!” Saika natao tany amin’ny Efitrano Fivoriambe sy toerana nohofana isan-karazany tany amin’ny tany 240 izy io. Mba hiarovana ny fahasalaman’ny mpanatrika anefa, dia nanapa-kevitra ny Filan-kevi-pitantanana hoe aleo jerena amin’ny alalan’ny video ilay fivoriambe, dia miara-mahita an’ilay izy daholo ny mpanatrika maneran-tany. Hatramin’ny 1897, dia sambany indray ny fandaminana vao tsy nanao fivoriambe azo atrehina mivantana.

Nilaza ny Rahalahy Kenneth Cook, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, hoe: “Rehefa nofoanana daholo ny fivoriamben’ny vondrom-paritra, dia ny noeritreretinay hoe aleo fandaharana iray ihany no jerena maneran-tany, dia amin’ny fotoana mitovy daholo ny mpanatrika no mijery an’ilay izy. Fantatray hoe tsy maintsy hadika amin’ny fiteny an-jatony ilay fandaharana ao anatin’ny efa-bolana latsaka. . Raha ny tokony ho izy anefa dia mila herintaona na mahery vao vita ny tetikasa hoatr’izany sy ny fanomanana azy. Faly be izahay rehefa nivoaka tamin’ny fiteny 400 teo ho eo ny fizarana voalohany tamin’ilay fandaharana, tamin’ny 6 Jolay 2020. Mbola mieritreritra aza izahay hoe hiampy ireo, ary hahatratra 511 ny fiteny hamoahana an’ilay izy!”

Nandray soa tamin’ilay fandaharana ny anabavy iray mitaiza irery ny zanany telo. Hoy izy: “Nalahelo aloha izahay hoe tsy afaka nanatrika fivoriambe niaraka tamin’ny namanay e! Nety be tamin’ny ankizy anefa ilay fandaharana. Nojerena tsikelikely mantsy ilay izy, dia mba nahavita nifantoka tsara ry zareo. Raha te hiala sasatra kely koa ry zareo, dia azonay najanona kely ilay fandaharana, dia notohizina ihany avy eo. Tsy nisy hoe fandaharana tsy araky ry zareo izany mihitsy, na dia iray minitra aza. Noresahina tamin’ny fandaharana ny zoma hoe hoatran’ny zana-tsipìka ny zanaka, dia tokony hatao izay hanatratrarany an’ilay zava-kendrena, dia ny hoe ho sambatra ry zareo sady ho faly manompo an’i Jehovah. Tena nanampy ahy hanao an’izany mihitsy ilay fandaharana satria nojerena tamin’ny alalan’ny video.”—Salamo 127:4.

Nanaitra ny sain’ny mpanao gazety eran-tany iny fivoriambe niavaka iny. Izao, ohatra, no nolazain’i Robert Hendriks, mpiandraikitra ny Biraon’ny Filazam-baovao any Etazonia: “Be dia be ny mpanao gazety namoaka lahatsoratra momba an’ilay fivoriambe. Noresahin-dry zareo tao amin’ireny lahatsoratra ireny hoe nampiasa teknolojia ny fandaminantsika mba handefasana an’ilay fandaharana, dia amin’izay ny mpanatrika voaro amin’ilay valanaretina.”

Hita tamin’iny fivoriamben’ny vondrom-paritra hoe “Mifalia Foana!” iny fa tena Mpampianatra Be Voninahitra tokoa i Jehovah, satria mahita hevitra hafakely sy fomba vaovao ampianarana ny vahoakany foana izy.—Isaia 30:20.