Hijery ny anatiny

Avy eo ankavia miankavanana: Rahalahy Arsen Avanesov sy Vilen Avanesov ary Aleksandr Parkov

12 MEY 2021
ROSIA

VAOVAO FARANY | Nampidirina Am-ponja Vonjimaika ny Rahalahy Telo Nefa Lasa Voatazona any Ela Be

VAOVAO FARANY | Nampidirina Am-ponja Vonjimaika ny Rahalahy Telo Nefa Lasa Voatazona any Ela Be

Nampakatra fitsarana fanindroany ny Rahalahy Vilen Avanesov sy Aleksandr Parkov, nefa nolavin’ny fitsarana ambony ambaratonga fahefatra izany tamin’ny 23 Jona 2022. Noho ny fangatahan’ny mpampanoa lalàna, dia naverin’ny fitsarana tamin’ilay fampakarana fitsarana voalohany indray ny raharaha momba ny Rahalahy Arsen Avanesov. Mety hahazo sazy henjana kokoa i Arsen, vokatr’izany. Mbola migadra daholo amin’izao ireo rahalahy telo ireo.

Tamin’ny 6 Desambra 2021, dia nolavin’ny fitsarana any Rostov ny fangatahana hampakatra fitsarana ambony nataon’ny Rahalahy Arsen sy Vilen ary Aleksandr. Mbola migadra ry zareo amin’izao.

Tamin’ny 29 Jolay 2021 dia nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Leninskiy any Rostov-on-Don higadra enin-taona sy tapany i Arsen sy Aleksandr, ary nomelohiny higadra enin-taona i Vilen. Efa notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny roa taona mahery ireo rahalahy telo ireo dia mbola mijanona any am-ponja ihany.

Ireo voampanga

Arsen Avanesov

  • Teraka: 1983 (Bakou, Azerbaïdjan)

  • Mombamomba azy: Niofana ho injeniera ary nanao asa mifandray amin’ny fanorenana trano. Tia nilalao rigby tamin’ny mbola kely. Nianatra teny anglisy sy frantsay

    Nanampy azy ho tia Baiboly ny dada sy mamany. Natao batisa tamin’ny 2005 ary lasa Vavolombelon’i Jehovah

Vilen Avanesov

  • Teraka: 1952 (Bakou, Azerbaïdjan)

  • Mombamomba azy: Elektrisianina sy mpanamboatra trano no asany taloha. Tia mahandro sakafo sy manao mofo ary mamaky boky. Ny Baiboly no anisan’ny boky tiany indrindra tamin’izy tanora

    Nanambady an’i Stella tamin’ny 1980. Manan-janakalahy atao hoe Arsen, sy zanakavavy atao hoe Elina. Nandositra nankany Armenia izy mianakavy tamin’ny 1988. Nisy horohoron-tany anefa tao Erevan, any Armenia, tamin’io taona io sady nitotongana be ny toe-karena. Voatery nifindra àry ry zareo dia nankany Rostov-on-Don, any Rosia. Natao batisa tamin’ny 2006

Aleksandr Parkov

  • Teraka: 1967 (Spassk, Kemerovo)

  • Mombamomba azy: Mbola kely dia efa niasa mafy satria namboly sy niompy. Mpitondra traktera sy mpanefy varahina mahay

    Nanambady an’i Galina tamin’ny 1990, ary niara-nianatra Baiboly taminy. Natao batisa tamin’ny 1992. Manan-janaka vavy telo sy zafikely roa izy mivady

Mombamomba an’ilay raharaha

Nanao bemidina tao amin’ny trano maromaro an’ny Vavolombelon’i Jehovah ny manam-pahefana tany Rostov-on-Don, tamin’ny 22 Mey 2019. Notanana am-ponja vonjimaika ny Rahalahy Vilen Avanesov sy Arsen zanany lahy ary ny Rahalahy Aleksandr Parkov. Efa ho roa taona ry zareo no voatazona tany. Nafindra tany amin’ny fonja hafa ireo rahalahy telo ireo tamin’ny Martsa 2021.

Tsy azon’i Stella atao ny mitsidika matetika ny vadiny sy ny zanany lahy. Tsy vitan’izay fa lasa tsy manana fidiram-bola izy izao. Nampakarina fitsarana koa i Galina vadin’i Aleksandr, noho ny finoany. Nomelohin’ny fitsarana izy ary nomena sazy mihantona roa taona sy telo volana.

Tena malahelo amin’izany tsy rariny rehetra izany ny rahalahy sy anabavy eran-tany. Hiezaka foana àry isika rehetra mba hahatsiaro an’izay migadra, ka ho hoatran’ny hoe miara-migadra amin-dry zareo mihitsy.​—Hebreo 13:3.