Hijery ny anatiny

Avy eo ankavia miankavanana: Rahalahy Vladimir Bukin, Mikhail Burkov, Valeriy Slashchev, ary Sergey Yuferov

26 JANOARY 2022 | VAOVAO FARANY: 27 JONA 2023
ROSIA

VAOVAO FARANY: NOGADRAINA IREO RAHALAHY | Mahavita Miaritra Ireo Rahalahy any Tynda Noho Izy Ireo Manampy ny Hafa sy Matoky An’i Jehovah

VAOVAO FARANY: NOGADRAINA IREO RAHALAHY | Mahavita Miaritra Ireo Rahalahy any Tynda Noho Izy Ireo Manampy ny Hafa sy Matoky An’i Jehovah

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Tyndinski any Amour ny Rahalahy Vladimir Bukin, Mikhail Burkov, Valeriy Slashchev, ary Sergey Yuferov, tamin’ny 23 Jona 2023. Voasazy higadra enin-taona sy roa volana i Mikhail, fa i Vladimir sy Valeriy ary Sergey kosa enin-taona sy efa-bolana. Tonga dia nalefa tany am-ponja izy efatra mirahalahy.

Nilaza ny Fitsaram-paritr’i Amour tamin’ny 27 Desambra 2022, hoe tsy nanan-kery indray ny fanamelohana ny Rahalahy Vladimir, Mikhail, Valeriy ary Sergey. Naverina indray ny fitsarana azy ireo. Navoaka tany am-ponja ry zareo ary miandry an’ilay fitsarana manaraka. Na izany aza dia tsy afaka miala ny faritra misy azy izy ireo.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Tyndinskiyi any Amour i Vladimir, Mikhail, Valeriy, ary Sergey, tamin’ny 25 Oktobra 2022. Enin-taona sy tapany an-tranomaizina no sazin’i Vladimir sy Valeriy ary Sergey. Enin-taona sy roa volana kosa ny an’i Mikhail. Tonga dia naiditra am-ponja izy efa-dahy raha vao niala teo amin’ny fitsarana.

Zava-nitranga

  1. 17 Novambra 2019

    Tranona fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah valo no nataon’ny polisy savahao, ka anisan’izany ny tranon’ireo rahalahy efatra ireo

  2. 18 Novambra 2019

    Nampangain’ny mpanao famotorana hoe mampidi-doza izy efatra mirahalahy. Tsy navela hiala an’ilay faritra misy azy koa izy ireo

  3. 26 Jolay 2021

    Nanomboka ny fitsarana azy ireo

Ireo voampanga

Matoky isika fa ho ‘tia foana sy tsy hivadika mihitsy’ amin’ireo rahalahintsika ireo i Jehovah, ary hanao hoatr’izany amin’ny mpanompony tsy mivadika rehetra.​—Genesisy 39:21.