Hijery ny anatiny

Ny Anabavy Galina Abrosimova

10 MEY 2022
ROSIA

VAOVAO FARANY | Tsy Natahotahotra i Galina Abrosimova

VAOVAO FARANY | Tsy Natahotahotra i Galina Abrosimova

Nolavin’ny Fitsaram-paritr’i Nizhny Novgorod ny fampiakarana fitsarana nataon’ny Anabavy Galina Abrosimova, tamin’ny 11 Aogositra 2022. Tsy migadra izy izao.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Sovietskiy, any Nizhny Novgorod, i Galina tamin’ny 6 Mey 2022. Nomena sazy mihantona enin-taona izy.

Zava-nitranga

  1. 4 Jona 2019

    Nampangain’ny mpanao famotorana hoe mpanao heloka bevava ny Vavolombelon’i Jehovah maromaro tany amin’ny Faritr’i Nizhny Novgorod. Voampanga ry zareo satria hoe nandamina fivoriana sy nanangona fanomezana an-tsitrapo ary nitaona olona hanaraka fikambanana ara-pivavahana voarara

  2. 17 Jolay 2019

    Nanao bemidina sy nisava tranona fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah 35 ny manam-pahefana. Nosamborina i Galina dia nalefa tany amin’ny toby fitanana nandritra roa andro

  3. 19 Oktobra 2021

    Nanomboka notsaraina i Galina satria hoe mpanao heloka bevava

Ilay voampanga

Resy lahatra isika hoe mbola homen’i Jehovah herim-po foana ny rahalahy sy anabavintsika any Rosia rehefa ‘hoentina any amin’ny governora sy ny mpanjaka, mba ho vavolombelona eo anatrehany’ ry zareo.​—Marka 13:9.