Hijery ny anatiny

10 MEY 2022
ISRAELY

Nivoaka Amin’ny Teny Hebreo Maoderina ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Manontolo

Nivoaka Amin’ny Teny Hebreo Maoderina ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Manontolo

Nampandrenesina ny fiangonana miteny hebreo rehetra any amin’ny faritanin’ny sampan’i Israely fa ho azo alaina amin’ny endrika elektronika Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo, manomboka amin’ny 2 Mey 2022. Amin’ny Septambra 2022 kosa ilay Baiboly vita pirinty vao mivoaka.

Efa nivoaka tamin’ny 2020 ny Soratra Hebreo. Tamin’ity kosa ny Soratra Grika Kristianina nohavaozina no nadika, dia nakambana tamin’ilay Soratra Hebreo efa nivoaka tamin’ny 2020. Izay vao nisy Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo voadika tamin’ny teny hebreo maoderina hatramin’izay, sady mitambatra ho boky iray. Teny hebreo maoderina no nampiasaina rehefa nandika an’ilay Soratra Hebreo, ka azon’ny mpamaky tsara ny hevitra voalaza tao amin’ny Soratra Masina fahiny. Ny ankamaroan’ny olona any mantsy amin’izao tsy mahazo an’ilay soratra fahiny intsony.

Hoy ny mpandika teny iray: “Zara raha misy Baiboly amin’ny teny hebreo maoderina amin’izao, indrindra moa fa ilay Soratra Hebreo. Faly àry izahay satria nahazo an’ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo. Misy zavatra tsara be maromaro ao anatiny, indrindra fa ilay fanondroana andininy hafa be dia be. Manampy be mihitsy mantsy izy ireny mba hahaizana kokoa an’izay lazain’ny Baiboly.”

“Misaotra an’i Jehovah izahay noho io fanomezana io”, hozy ny mpandika teny hafa. “Vao mainka mora kokoa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny olona rehetra miteny hebreo izao ny mifandray sy minamana be amin’ilay Ray any an-danitra.”​—Jakoba 4:8.