27 APRILY 2022
UKRAINE
Rahalahy Be Herim-po Manatitra Fanampiana sy Mamonjy Olona any Amin’ny Faritra Rotiky ny Ady any Ukraine
Mbola misy Vavolombelon’i Jehovah an’arivony any amin’ny faritra tena voa mafy noho ilay ady any Ukraine, izay nanomboka tamin’ny 24 Febroary 2022. Tena mampiseho fitiavana ny rahalahy 21 avy ao amin’ny tanànan’i Kremenchuk sy Poltava, satria manolo-tena ho any amin’ireny toerana ireny mba hanatitra fanampiana sy hanampy ny mpiara-manompo any hitsoaka.
Tao anatin’ny iray volana sy tapany, dia im-80 teo ho eo ireo rahalahy ireo no nivezivezy tany amin’ireny toerana rotidrotiky ny ady ireny, ohatra hoe any Kharkiv, ary 50 000 kilaometatra teo ho eo ny fitambaran’ny dia nataon-dry zareo. Efa ho 400 ny rahalahy sy anabavy nampian-dry zareo hitsoaka.
Sakafo 23 taonina no efa naterin-dry zareo hatreto, dia fanafody sy lasantsy ary zavatra hafa ilain’ny mpiara-manompo. Mijery tsara an’izay lalana tsy mampidi-doza indrindra ry zareo isaky ny misy dia hataony, dia any amin’izay faritra tsy dia misy ady no andehanany. Adiny 19 ry zareo indraindray no eny an-dalana satria tsy maintsy mijanona rehefa misy fisavana fiara.
Rehefa eny an-dalana ireo rahalahy, dia manidina eny ambony eny ny fiaramanidina mpiady. Mahita trano voazeran’ny baomba koa ry zareo dia tanky sy fiara potipotika. Tsy vitan’izay fa tsapan-dry zareo hoe mihovitrovitra mihitsy ny tany rehefa misy baomba mipoaka eo akaiky eo.
Niomana hanatitra fanampiana tany amin’ny rahalahy sy anabavy tany Kharkiv i Roman tamin’ny 2 Aprily 2022. Nisy bala afomanga be dia be nilatsaka anefa teny amin’ny arabe tamin’izay, dia nandeha nialoka tao amin’ny trano anankiray tsy lavitra teo izy. Rehefa afaka antsasak’adiny, dia hitany hoe voazeran’ny baomba ilay lalana saika handehanany.
Anisan’ireo rahalahy nanolo-tena hitatitra fanampiana koa i Volodymyr. Tena mampidi-doza ny mivezivezy, dia izao no nolazainy: “Mivavaka matetika amin’i Jehovah izahay mba hanana fahendrena ahafahana mandray fanapahan-kevitra tsara.”
Nipetraka tany Kharkiv niaraka tamin’ny ray aman-dreniny be taona i Oleksandr sy Valentyna vadiny. Nahita baomba nipoaka teny akaiky kelin’ny tranony ry zareo rehefa nitazana teo am-baravarankely. Teo amin’ny 100 metatra niala teo fotsiny ilay izy indraindray. Tsy afaka nitsoaka anefa ry zareo satria tsy nanana fiara.
Soa ihany fa tonga namonjy azy efa-mianaka ireo rahalahy. Hoy i Oleksandr: “Nivavaka tamin’i Jehovah izahay dia nisaotra azy noho ireo rahalahy nanampy anay.”
Niafina tao amin’ny lakalin’ny tranony nandritra ny andro vitsivitsy i Vasyl sy Natalia vadiny ary ny zanany telo. Nisy baomba nipoaka tamin’ny 28 Febroary 2022, dia rava ny tranon-dry zareo. Tadidin’i Vasyl hoe naheno feo nankarenin-tsofina izy rehefa nipoaka ilay baomba, dia avy eo maty daholo ny jiro tao amin’ilay lakaly.
Nisy fotoana somary nitsahatra kely ilay ady, dia nifindra tany amin’ny lakaly tao amin’ny trano hafa teo akaiky teo ry zareo. Nahita an-dry zareo ireo rahalahy tamin’ny 3 Martsa 2022, dia nanatitra an-dry zareo tany amin’ny faritra azo antoka kokoa.
Inona no tsapan-dry Vasyl mianakavy tamin’izay? Hoy i Vasyl: “Tena nisaotsaotra an’i Jehovah izahay! Sambany izahay vao mba afaka nisakafo nilamina tsara sady tsy nitaintaina hoe hanao ahoana ny zanakay. Hoatran’ny hoe efa herinandro maromaro no lasa, nefa vao herinandro fotsiny.”
Nilaza i Oleksandr, anisan’ireo mitatitra fanampiana, hoe hita amin’ilay ezaka atao mba hanampiana ny tra-boina fa tena miray saina ny vahoakan’i Jehovah. Hoy izy: “Nanampy ahy ilay izy mba hahita hoe ahoana no ikarakaran’i Jehovah ny vahoakany. Faly be aho rehefa mahita hoe tena mankasitraka ny fanampiana omena azy ny mpiara-manompo.”
Misaotra an’ireny rahalahy be herim-po ireny isika, ary mivavaka mba hotahin’i Jehovah ry zareo satria mahafoy tena.—Romanina 12:10.