Hijery ny anatiny

Resadresaka mampahery miaraka amin’ny rahalahy sy anabavy nitsoa-ponenana

23 MEY 2022
UKRAINE

VAOVAO FARANY #8 | Maneho Fitiavana Foana Ireo Rahalahy sy Anabavy na eo aza ny Krizy any Ukraine

Mihabetsaka ny Mahazo Fitsidihan’ny Mpiandry na dia Mbola Mitohy aza ny Ady

VAOVAO FARANY #8 | Maneho Fitiavana Foana Ireo Rahalahy sy Anabavy na eo aza ny Krizy any Ukraine

Mbola mitohy foana hatramin’izao ny ady any Ukraine. Miasa mafy anefa ny rahalahy rehetra manana andraikitra ao amin’ny sampan’i Ukraine, ka miezaka mitsidika an’ireo mpitory nitsoa-ponenana sy mampahery azy ireo amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra. Tena mahasoa ireny fitsidihana ireny. Nitsidika rahalahy sy anabavy nitsoaka nankany amin’ny faritra andrefan’i Ukraine, ohatra, ny rahalahy iray anisan’ny Komitin’ny Sampana. Misy 30 eo ho eo amin-dry zareo mialokaloka ao amin’ny Efitrano Fanjakana iray any Oujhorod. Izao no nolazain’ny anabavy iray, anisan’ireo mialokaloka ao: “Hoatran’ny hoe notrotroin’i Jehovah aho dia nofihininy.”

Anisan’ny mahazo fitsidihan’ny mpiandry koa ireo rahalahy be herim-po 100 eo ho eo anisan’ireo Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) miisa 27. Hoy i Ihor, anisan’ny KVRV: “Efa nitsoaka niala ny tranonay izahay mivady tamin’izaho voatendry hiasa ao amin’ny KVRV, dia trano hafa no nipetrahanay. Tamin’izahay ilay nahatsiaro hoe lany hery iny mihitsy no tonga nitsidika anay ny rahalahy iray anisan’ny Komitin’ny Sampana. Tena tsapanay hoe niahy izay hahasoa anay izy, satria nanokana fotoana hitsidihana sy hihainoana tsara anay na dia be atao aza.” Hoy ihany i Ihor: “Hoatran’ny zazakely isika indraindray satria tsy mahavita na inona na inona eo anatrehan’ny zava-misy. Misy fotoana koa isika tapi-dalan-kaleha, dia mivavaka amin’i Jehovah mba handamina an’ilay olana sisa no azontsika atao. Amin’ireny fotoana ireny mihitsy matetika no ahitantsika hoe manampy antsika ny tanan’i Jehovah.”

Toy izao ny mombamomba ny Efitrano Fanjakana any amin’ilay faritra misy ady: Efitrano 4 no rava tanteraka, 8 no simba be, ary 33 no misy simba kely.

Efitrano Fanjakana iray any ivelan’ny tanànan’i Kiev tamin’ny 2019 (ankavia) sy amin’izao (ankavanana)

Ireto ny tatitra azo avy any Ukraine, hatramin’ny 17 Mey 2022. Tatitra avy amin’ireo rahalahy any an-toerana no nahazoana an’ireo antontan’isa ireo. Sarotra anefa ny mifandray tsy tapaka amin’ireo rahalahy any amin’ny faritra rehetra manerana an’ilay tany, ka mety hihoatra be an’ireo ny tena isa marina:

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Mpitory 37 no maty

  • Mpitory 74 no naratra

  • Mpitory 45 253 no niala tao an-tranony mba ho any amin’ny faritra azo antoka kokoa

  • Trano 418 no rava

  • Trano 466 no simba be

  • Trano 1 213 no misy simba kely

  • Efitrano Fanjakana 4 no rava

  • Efitrano Fanjakana 8 no simba be

  • Efitrano Fanjakana 33 no misy simba kely

Fanampiana tra-boina

  • KVRV 27 izao no miasa any Ukraine

  • Mpitory 48 806 no nampian’ny KVRV mba hahita trano azo antoka kokoa

  • Mpitory 21 786 no nitsoaka any an-tany hafa ary efa ampian’ny mpiara-manompo any