Hijery ny anatiny

Rahalahy Aleksandr Nikolayev tafaraka amin’i Yevgeniya vadiny sy ny zanaky ry zareo dimy mianadahy ary ny maman’i Yevgeniya, tamin’izy nivoaka ny fonja

21 SEPTAMBRA 2023
ROSIA

Nafahana avy Tany Amin’ny Fonjan’i Rosia ny Rahalahy Aleksandr Nikolayev

Nafahana avy Tany Amin’ny Fonjan’i Rosia ny Rahalahy Aleksandr Nikolayev

Nafahana avy tany amin’ny fonjan’i Rosia ny Rahalahy Aleksandr Nikolayev, tamin’ny 19 Septambra 2023, rehefa avy nigadra roa taona. Faly niarahaba azy ny mpiara-manompo, tamin’izy vao nivoaka ny fonja. Tafaraka amin’i Yevgeniya vadiny sy ny zanaky ry zareo dimy mianadahy izy izao.

Nanao bemidina tany an-tranon-dry Nikolayev ny polisin’ny FSB sy ny polisy hafa nirongo fiadiana, tamin’ny fiandohan’ny taona 2021. Nampangaina dia avy eo nomelohina hoe “nanao heloka bevava” i Aleksandr satria niresaka momba ny Baiboly tamin’ny fianakaviany sy ny namany.

Talohan’ny nisamborana azy, dia notantarain’i Aleksandr hoe inona no nanampy azy tsy hivadika. Hoy izy: “Hitako hoe rehefa matahotra olona sy misalasala aho dia lasa tsy mahavita misaina tsara. Niezaka àry aho mba tsy hatahotra. Nivavaka tamin’i Jehovah koa aho mba hampiany hatoky azy kokoa, dia tena nanampy ahy tokoa izy.”

Tena faly isika fa nafahana i Aleksandr dia tafaraka amin’ny fianakaviany indray. Azo antoka hoe “mahafinaritra” an’i Jehovah ny mpanompony tsy mivadika satria manam-pinoana sy be herim-po na dia iharan’ny tsy rariny aza.​—Salamo 149:4.