23 MEY 2024
ROSIA
“Eo Foana i Jehovah Hanampy Ahy”
Tsy ho ela ny Fitsaram-paritry ny Repoblikan’i Karatchaïévo-Tcherkessie dia hamoaka didim-pitsarana momba ny raharaha mahakasika ny Rahalahy Aleksey Pasynkov. Tsy mbola nilaza ny sazy tokony homena azy ny mpampanoa lalàna.
Ilay voampanga
Faly isika mahalala hoe na dia miatrika fitsapana isan-karazany aza isika, dia afaka mialoka amin’i Jehovah sady hifaly aminy.—Salamo 5:11.
Zava-nitranga
23 Novambra 2021
Nisambotra azy tany amin’ny toeram-piasany ny manam-pahefana dia avy eo nisava ny tranony
8 Desambra 2022
Nampangaina ho mpanao heloka bevava
3 Martsa 2023
Nosavana fanindroany ny tranony. Natao famotorana i Aleksey sy Yuliya
31 Martsa 2023
Nosavana koa ny tranon’ny maman’i Aleksey sy ny rahalahiny
4 Oktobra 2023
Tsy navela nanao dia lavitra izy
14 Desambra 2023
Nanomboka ny fitsarana azy