Hijery ny anatiny

Eo ambony: Rahalahy Yevgeniy Bochko sy Vladimir Kolesnikov ary Aleksey Shubnikov

Eo ambany: Rahalahy Vitaliy Ushakov sy Valeriy Vechkayev

13 FEBROARY 2024
ROSIA

Notadidin-dry Zareo hoe Voninahitra ny Manompo An’i Jehovah

Notadidin-dry Zareo hoe Voninahitra ny Manompo An’i Jehovah

Tsy ho ela ny Fitsaram-paritr’i Vyselkovskiy, any amin’ny Faritr’i Krasnodar dia hamoaka didy momba an’ireto rahalahy ireto: Yevgeniy Bochko, Vladimir Kolesnikov, Aleksey Shubnikov, Vitaliy Ushakov, ary Valeriy Vechkayev. Mbola tsy nolazain’ny mpampanoa lalàna hoe inona no sazy homena an-dry zareo.

Ilay voampanga

Matoky isika hoe hataon’i Jehovah foana izay hahatonga an’ireo rahalahy ireo ho faly sy hatanja-tsaina. Dia tsy ry zareo ihany fa izay olon-kafa rehetra miantehitra amin’i Jehovah.​—Salamo 141:8.

Zava-nitranga

  1. 11 Febroary 2022

    Nampangaina ho nanao heloka bevava i Yevgeniy, Aleksey, Vitaliy, ary Valeriy

  2. 13 Febroary 2022

    Nosavana ny tranon-dry zareo, dia nalaina am-bavany i Yevgeniy sy Aleksey ary Vitaliy. Notanana vonjimaika tao amin’ny efitra iray i Vitaliy

  3. 15 Febroary 2022

    Notanana am-ponja vonjimaika i Vitaliy

  4. 16 Febroary 2022

    Tsy nahazo nanao dia lavitra i Yevgeniy sy Aleksey

  5. 18 Febroary 2022

    Tsy nahazo nanao dia lavitra i Valeriy

  6. 21 Febroary 2022

    Nampangaina hoe nanao heloka bevava i Vladimir

  7. 15 Martsa 2022

    Tsy nahazo nanao dia lavitra i Vladimir. Natambatra ho lasa iray ny heloka niampangana azy sy ireo rahalahy hafa

  8. 8 Septambra 2022

    Tsy notanana am-ponja intsony i Vitaliy saingy nambenana tao an-tranony

  9. 10 Oktobra 2022

    Tsy nambenana tao an-tranony intsony i Vitaliy saingy tsy nahazo nanao dia lavitra

  10. 31 Mey 2023

    Nanomboka ny fitsarana an-dry zareo