Hijery ny anatiny

31 MEY 2024
BÉNIN

Navoaka Tamin’ny Teny Fon Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Navoaka Tamin’ny Teny Fon Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Navoakan’ny Rahalahy Abdiel Worou, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Afrika Andrefana, tamin’ny teny fon Ny Soratra Grika Kristianina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny 26 Mey 2024. Nisy fandaharana manokana natao tany amin’ny Efitrano Fivoriambe iray any Abomey, any Bénin, dia tamin’io no nampandrenesina ilay vaovao. Nisy 920 ny rahalahy sy anabavy nanatrika an’ilay fandaharana nivantana, raha atambatra. Nisy mpanatrika hafa 6 188 koa nanaraka an’ilay fandaharana tamin’ny alalan’ny vidéoconférence. Nizarana Baiboly vita pirinty ny mpanatrika nandritra an’ilay fandaharana. Tonga koa dia efa azo nalaina tao amin’ny Internet ilay Baiboly noraisim-peo sy ny endrika elektronika amin’ilay izy tamin’io fotoana io.

Roa tapitrisa fara fahakeliny ny olona mampiasa ny teny fon mipetraka any Bénin, ary rahalahy sy anabavy ny 4 000 mahery amin’ireo. Misy 84 ny fiangonana sy antoko-mpitory mampiasa an’io fiteny io any. Tamin’ny 2022 no navaoka tamin’ny teny fon Ny Baiboly​—Ny Vaovao Tsara Nosoratan’i Matio. Nadika tamin’ilay fiteny koa avy eo ny boky hafa ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, dia navoaka tsikelikely tamin’ny endrika elektronika.

Misaotra an’i Jehovah miaraka amin’ireo mpiara-manompo amintsika miteny fon isika, satria be dia be mihitsy ny olona lasa afaka mamaky ny Teniny. Te hampihatra ny torohevitra tsara be ao amin’io boky misy ny fahamarinana io mantsy ireny olona ireny.​—Jaona 17:17.