Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TRANONKALA JW.ORG

Hitady Zavatra Misy Amin’ny Fiteny Hafa

Hitady Zavatra Misy Amin’ny Fiteny Hafa

Raha mianatra teny vahiny ianao, na te hanome fanazavana avy ato amin’ny jw.org ho an’olona miteny vahiny, dia araho ny iray amin’ireto toromarika telo ireto mba hahitana fanazavana amin’ilay teny vahiny:

 Hanova ny fiteny ao amin’ilay tranonkala

Tsindrio ilay sary kely mampiseho Fiteny mba hahitana ny lisitry ny fiteny rehetra ampiasaina ato amin’ny jw.org.

Misy ny iray amin’ireto sary kely ireto eo ankavian’ny fiteny tsirairay ao amin’ilay lisitra:

  • Voadika amin’ilay fiteny ity tranonkala ity na ny ampahany aminy. Fidio ilay fiteny raha tianao hojerena amin’io fiteny io ny jw.org.

  • Mbola tsy voadika amin’ilay fiteny ity tranonkala ity, nefa misy boky na zavatra hafa azo alaina amin’io fiteny io ao. Fidio ilay fiteny mba hahitana ny lisitry ny zavatra azo alaina amin’io fiteny io.

  • Tenin’ny tanana no dikan’io sary io. Video ny ankamaroan’ny zavatra amin’ny tenin’ny tanana.

    Asio marika eo amin’ilay hoe Tenin’ny Tanana Ihany dia ny tenin’ny tanana ihany sisa no hiseho.

Misy fiteny an-jatony ao amin’ilay lisitra, ka tsara kokoa raha arahinao ny iray amin’ireto hevitra ireto mba hahitana haingana ny fiteny tadiavinao:

  • Fidio izay fiteny hampiasainao matetika: Miseho eo amin’ny farany ambony amin’ilay lisitra ireo fiteny efatra nofidinao farany.

  • Soraty ny anaran’ilay fiteny: Soraty amin’ny fiteninao na amin’ilay fiteny tadiavinao ny litera vitsivitsy amin’ny anaran’ilay fiteny. Raha amin’ny teny malagasy, ohatra, ilay tranonkala, ka tianao hovana ho teny anglisy, dia soraty ny hoe “Anglisy” na “English.” Rehefa eo am-panoratana an’ilay fiteny ianao, dia hihena tsikelikely ny lisitr’ireo fiteny ka izay misy ny litera soratanao sisa no hipoitra.

 Hamaky lahatsoratra amin’ny fiteny hafa

Soso-kevitra 1: Araho ity soso-kevitra ity raha misy an’ilay hoe Hamaky Amin’ny Teny ny pejy sokafanao.

Mankanesa any amin’ilay lahatsoratra tianao hovakina na tianao haseho olona. Aorian’izay, dia mifidiana fiteny iray ao amin’ilay lisitra, ao amin’ilay hoe Hamaky Amin’ny Teny. (Raha tsy ao amin’ilay lisitra ny fiteny tadiavinao, dia midika izany fa mbola tsy nivoaka tamin’io fiteny io ilay lahatsoratra.)

Torohevitra: Misy sary kely eo ankavian’ny anaran’ny fiteny sasany ao amin’ilay lisitra mba hilazana fa noraisim-peo tamin’io fiteny io ilay lahatsoratra ary azo henoina.

Rehefa mifidy fiteny ao amin’io lisitra io ianao, dia ilay lahatsoratra ihany no hiova amin’ilay fiteny. Hijanona amin’ny fiteny nijerenao azy kosa ilay tranonkala.

Soso-kevitra 2: Raha tsy misy an’ilay hoe Hamaky Amin’ny Teny eo amin’ilay lahatsoratra, dia ampiasao ilay Fiteny mba hanovana ny fitenin’ilay tranonkala. Raha efa nivoaka amin’io fiteny io ilay lahatsoratra dia hiseho. Raha mbola tsy nivoaka kosa ilay izy, dia ny pejy fandraisana amin’ilay fiteny nofidinao no hiseho.

 Hitady boky na zavatra hafa amin’ny fiteny hafa

Midira ao amin’ny ZAVATRA MISY ary mifidiana Fiteny.

Misy fiteny an-jatony ao, ka mety hanampy anao izao: Tsindrio eo amin’ilay Fiteny. Soraty ny anaran’ilay fiteny tadiavinao dia hihena tsikelikely ny lisitr’ireo fiteny ka izay misy ny litera soratanao sisa no hipoitra.

Boky sy gazety ary zavatra vitsivitsy ihany no hita ao amin’ny ZAVATRA MISY, na dia be dia be aza ny zavatra efa misy amin’ilay fiteny. Raha mitady zavatra hafa amin’io fiteny io àry ianao, dia midira ao amin’ny iray amin’ireo karazan-javatra misy (ohatra: BOKY & BOKIKELY na GAZETY) mba hahitana ny zavatra misy amin’ilay fiteny.

Raha tsy misy amin’ilay fiteny nofidinao ilay karazan-javatra tadiavinao, dia homeny rohy mankany amin’izay zavatra misy amin’ilay fiteny ianao.