Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TRANONKALA JW.ORG

Hijery Video ao Amin’ny JW.ORG

Hijery Video ao Amin’ny JW.ORG

Mijere video iray na ny video rehetra ao amin’ny fizarana iray. Azonao aato, averina, na aroso haingana ny video.

 Hitady sy handefa video iray

Midira ao amin’ny ZAVATRA MISY > VIDEO raha hijery ny video rehetra, anisan’izany ny video nalaina tao amin’ny studio Tele JW.

Mifidiana sokajy iray.

Misy lohateny maromaro ao anatin’ny sokajina video iray. Akisaho miankavia na miankavanana ireo video raha hitady video fanampiny ao anatin’ny lohateny iray ianao, na tsindrio ilay hoe Hijery Azy Rehetra.

Ampiasao ny iray amin’ireto soso-kevitra ireto raha hijery na hizara video iray:

  • Tsindrio ilay hoe Handefa.

  • Tsindrio ilay hoe Haka raha te hitahiry an’ilay video ao amin’ny ordinateranao na amin’ny fitaovana elektronika ampiasainao ianao. (Fanamarihana: Mety hila programa fanampiny ny fitaovana sasany vao ho afaka haka rakitra. Raha misy JW Library ny fitaovana ampiasainao, dia aleo mampiasa an’io programa io rehefa maka video sy mijery an’ilay izy tsy mila Internet.)

  • Tsindrio ilay hoe Hizara raha misy olona tianao handefasana rohy mankany amin’ilay video. Raha mila fanazavana fanampiny dia jereo ilay hoe “Hizara Rohy Mankany Amin’ny Lahatsoratra, Video, na Boky ao Amin’ny JW.ORG.

  • Raha hijery video amin’ny fiteny hafa ianao dia fidio eo amin’ny lisitry ny Fiteny eo akaikin’ny lohatenin’ilay video ny fiteny tianao hijerena azy.

 Handefa ny video rehetra ao amin’ny sokajy iray na eo ambanin’ny lohateny iray

Tsindrio ilay hoe Tsy Milahatra, ao amin’ny sokajy iray, raha te handefa ny video rehetra ao ianao ary tsy handeha arakaraka ny filaharany izy ireo.

Misy fomba roa ireto raha te handefa ny video rehetra eo ambanin’ny lohateny iray ao anatin’ny sokajy iray ianao:

  • Tsindrio ilay hoe Handefa Azy Rehetra, eo akaikin’ilay lohateny, raha te hijery ny video rehetra ao ianao, ary hisesy hanaraka ny filaharany ao izy ireo.

  • Tsindrio ilay hoe Tsy Milahatra, eo akaikin’ny lohateny, raha te hijery ny video rehetra ao ianao, ary tsy hisesy hanaraka ny filaharany izy ireo.

Fanamarihana: Hijanona ho azy ilay izy rehefa tapitra nandeha daholo ny video rehetra tao amin’ny sokajy iray na teo ambanin’ny lohateny iray.

 Zavatra azo atao amin’ny video

Ireto avy ny zavatra azonao atao rehefa mijery video ianao:

  • Tsindrio ilay hoe Hameno Efijery raha tianao hatao mameno efijery na miverina tsy mameno efijery ilay video.

  • Tsindrio ny Hampiato raha tianao haato ilay video.

  • Tsindrio indray ny Handefa raha te hanohy ianao.

  • Sintony miankavia na miankavanana ny bokotr’ilay video raha te hijery ny any aloha na any aoriana ianao.

  • Tsindrio ilay sarina Fanamafisam-peo ary akisaho ny haavony raha tianao hampiakarina na hampidinina ny feony. Azonao ampiasaina koa ny bokotra mampiakatra sy mampidina feo amin’ny fitaovana ampiasainao.

 Hanova ny firafitry ny video

Tsindrio ilay hoe Firafitra ary fidio ny hatsaran’ny sary tianao. (Fanamarihana: Tsy mandeha amin’ny programa fijerena Internet sasany io firafitra io.)

Inona no dikan’ireo tarehimarika ireo? Arakaraka ny maha ambony an’ilay tarehimarika no maha tsara ny sary mivoaka, nefa koa ilana Internet matanjaka kokoa. Fidio izay mety indrindra aminao, arakaraka ny hatanjaky ny Internet ampiasainao sy ny haben’ny efijerinao ary ny volanao.

Manazava momba an’izany ny tabilao eto ambany:

Hatsaran’ny sary

Fanazavana

240p

Ambany indrindra. Mety tsara amin’ny fitaovana misy efijery kely.

360p

Ambany. Mety tsara amin’ny fitaovana misy efijery kely.

480p

Antonony. Mety tsara amin’ny tablette sy ny efijerin’ordinatera ary ny ankamaroan’ny tele.

720p

Tsara (HD na high definition). Mety tsara amin’ny efijerin’ordinatera mamoaka sary 1024 x 768, na ambony noho izany, sy ny tele HD (HDTV) mamoaka sary 1280 x 720, na ambony noho izany.

Nahoana no mila ovana ny hatsaran’ny sary? Raha miadana be ny Internet ampiasainao ka mikatso matetika ny video jerenao, dia tokony hampidinina angamba ny hatsaran’ny sary. Ataovy amin’izay mety indrindra amin’ny ordinatera na fitaovana hafa ampiasainao izany. Raha te hitsitsy vola amin’ny fampiasana Internet koa ianao, dia mety ho tsara kokoa raha atao ambanimbany ny hatsaran’ny sary.

Tsindrio ilay hoe Soratra eny Ambany raha tianao hiseho na tsy hiseho ny soratra amin’ny fiteny andefasana an’ilay video.

Fanamarihana: Tsy misy soratra eny ambany ny video sasany.