Hijery ny anatiny

23 MARTSA 2015
AZERBAÏDJAN

Vao Mainka Manavakavaka Fivavahana ny any Azerbaïdjan

Vao Mainka Manavakavaka Fivavahana ny any Azerbaïdjan

Mitombo ny fanavakavahana fivavahana any Azerbaïdjan. Asain’ny polisy mandoa onitra be mantsy ny Vavolombelon’i Jehovah any ary gadrainy. Toriny any amin’ny fitsarana izy ireo satria miara-mivory sy mitory.

Nampangaina ho mpanao heloka bevava

Vavolombelon’i Jehovah i Irina Zakharchenko (55 taona), sy Valida Jabrayilova (38 taona). Maty vady i Irina ary kilemaina, fa i Valida kosa mitaiza ny reniny be taona. Nitory tao amin’ny tranobe iray tao Baku izy mirahavavy tamin’ny 5 Desambra 2014. Nizara maimaim-poana an’ilay bokikely hoe Ampianaro ny Zanakao izy ireo tamin’izay. Fanampiana ny ray aman-dreny hampianatra Baiboly ny zanany io bokikely io. a

Nampangain’ny polisy mpanao famotorana ho mpanao heloka bevava izy ireo, satria, hono, nizara boky ara-baiboly nefa tsy nanana “taratasy fahazoan-dalana.” Nampangaina hoatr’ireny fikambanan-jiolahy ireny izy mirahavavy, ka mety ho voasazy handoa onitra be: 7000 ka hatramin’ny 9000 manats (6690 ka hatramin’ny 8600 dolara). b Raha tsy mahaloa an’io izy ireo, dia mety higadra roa ka hatramin’ny dimy taona.

Nampiantso azy ireo imbetsaka ny polisy mpanao famotorana sy ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, mba hatao famotorana. Tonga indray izy ireo tamin’ny 17 Febroary 2015, rehefa nampanantsoin’ilay Minisitera. Tsy nampoiziny anefa fa hay teo anatrehan’ny Fitsaram-paritr’i Sabail ao Baku izy ireo, ary tsy azon’olon-kafa natrehina ilay fitsarana.

Nilaza ny fiampangana azy mirahavavy ilay polisy mpanao famotorana, ary avy eo nangataka ny hampidirana azy am-ponja vonjimaika. Nanahy, hono, izy sao hamerina an’ilay heloka izy ireo, sady mety “hitsaoka an’ilay famotorana.” Tsy nanaiky ny mpisolovavan’izy mirahavavy, satria tsy mitombina ilay fanahiana ary nanaiky hiara-miasa tamin’ny manam-pahefana foana izy ireo. Niaiky ilay mpitsara fa mbola tsy voaheloka mihitsy izy mirahavavy. Nilaza koa anefa izy fa “mety hanakorontana ny filaminam-bahoaka” ny fitorian’izy ireo Baiboly. Nekeny àry ny fangatahan’ilay mpanao famotorana hoe hogadraina telo volana any amin’ny fonjan’ny polisy miafina izy ireo.

Nampiakarin’ilay mpisolovavan’izy mirahavavy tany amin’ny Fitsarana Ambony ilay raharaha. Avy tany am-ponja izy ireo no nentin’ny polisy nankany amin’ny Fitsarana Ambony ao Baku, tamin’ny 26 Febroary 2015. Nafatotra ny tanany, ary fiara nisy varavaram-pitaratra mainty no nitondrana azy. Tsy azon’olon-kafa natrehina ilay fitsarana. Tsy nanana porofo manamarina an’ilay fampidirana am-ponja vonjimaika ny mpampanoa lalàna sy ny mpanao famotorana ao amin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Tsy neken’ilay fitsarana anefa ilay fangatahana famerenam-pitsarana, ka naverina tany am-ponja Rtoa Zakharchenko sy Rtoa Jabrayilova.

Nahazo alalana tamin’ny fitsarana hisava ny tranon’ny Rtoa Zakharchenko sy Rtoa Jabrayilova ny antokon’olona roa avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, tamin’ny 6 Martsa 2015. Nalain’izy ireo ny boky ara-baiboly, kahie, ordinatera, ary finday. Nahazo alalana tamin’ny fitsarana koa ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Komitim-panjakana Misahana ny Fikambanana Ara-pivavahana ary ny polisy tamin’ny 10 Martsa 2015, mba hisava ny Efitrano Fanjakana (toeram-pivavahana) sy ny tranon’ny anti-panahy iray. Maromaro koa ny Vavolombelona tao Baku nampanantsoin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, mba hatao famotorana momba ilay raharaha mahakasika azy mirahavavy.

Te hangataka fanampiana ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nanomana ny handefa taratasy ho an’ny Mpanao Tatitra ao amin’ny Firenena Mikambana Momba ny Fanagadrana Tsy Ara-drariny. Misy mpisolovava eo an-toerana koa manomana fangatahana halefa any amin’ny fitsarana, mba tsy hogadraina vonjimaika izy ireo fa hambenana ao an-tranony fotsiny.

Nandoa onitra be sy nogadraina satria nanatrika fotoam-pivavahana

Tany Ganja, dia nosazin’ny manam-pahefana handoa vola be ireo nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nisy nogadrainy. Nahatratra 1500 manats (1433 dolara) ka hatramin’ny 2000 manats (1911 dolara) ny onitra naloa.

Nomelohin’ny fitsarana tany Ganja higadra ny Vavolombelona telo sy ny lehilahy iray nanatrika ny fivoriany, tamin’ny Oktobra 2014, satria, hono, tsy nandoa an’ireo onitra tokony haloany. Efa nisy naloan’izy ireo ihany, nefa mbola nogadraina 3 ka hatramin’ny 20 andro izy ireo.

Hoy ilay lehilahy tonga nivory niaraka tamin’ny Vavolombelona: “Vola be amiko ilay 1500 manats (1433 dolara). ... Saika tsy handoa aho tamin’ny voalohany satria amiko izaho tsy nanao ratsy.” Nihevitra koa ireo Vavolombelona roa lahy hoe tsy rariny ilay sazy, sady nentin’ny manam-pahefana hoatran’ny mpanao heloka bevava izy ireo.

Vehivavy ilay Vavolombelona fahatelo nigadra. Hoy izy: “Tsy nisy niraharaha mihitsy hoe mahantra be ny fianakavianay, ary izaho no mikarakara ny mamanay nefa izy malemy tsy afaka manao na inona na inona. Izaho koa anefa efa nanomboka nandoa an’ilay onitra.”

Efa vitan’izy efatra mianadahy ny saziny tany am-ponja, nefa mbola takin’ny fitsarana ihany ny handoavany an’ilay onitra. Mety hamoaka didy ny hanagadrana azy ireo indray ny fitsarana, raha tsy voaloan’izy ireo ara-potoana ilay onitra.

Hanao ny rariny ihany ve ny any Azerbaïdjan?

Mampiasa fomba isan-karazany ny manam-pahefana any Azerbaïdjan, mba hanakantsakanana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy 19 izao ny fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah an’i Azerbaïdjan any amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, satria avakavahana ny fivavahan’izy ireo. Manantena koa anefa izy ireo fa hafahan’ny manam-pahefana any Azerbaïdjan Rtoa Zakharchenko sy Rtoa Jabrayilova, satria tsy rariny ny nanagadrana azy ireo vonjimaika. Raha tsy manakantsakana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah intsony koa i Azerbaïdjan, dia tena manaja ny zon’ny olom-pireneny, ny lalàm-panorenany, ary ny zon’olombelona.

a Neken’ny Komitim-panjakana Misahana ny Fikambanana Ara-pivavahana ao amin’ny Repoblikan’i Azerbaïdjan tamin’ny 11 Aogositra 2014 ny fanafarana an’io bokikely navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah io.

b 440 manats (420 dolara) eo ho eo isam-bolana ny karama any Azerbaïdjan, tamin’ny Aogositra 2014.