Hijery ny anatiny

11 JONA 2015
AZERBAÏDJAN

Mitaky ny Hampitsaharana ny Fanagadrana Tsy Ara-drariny ny Vavolombelon’i Jehovah

Mitaky ny Hampitsaharana ny Fanagadrana Tsy Ara-drariny ny Vavolombelon’i Jehovah

Manaitra ny sain’ny firenena maro ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanohitra ny fanagadrana tsy ara-drariny an’i Irina Zakharchenko sy Valida Jabrayilova. Efa notanana am-ponja izy ireo nanomboka tamin’ny 17 Febroary 2015. Nanasazy azy ireo higadra telo volana avy eo ny Fitsaram-paritr’i Sabail, satria hoe nizara boky ara-pivavahana izy ireo nefa tsy nahazo alalana. Vao nampian’ilay fitsarana roa volana indray ny sazin’izy ireo.

Irina Zakharchenko sy Valida Jabrayilova

Vehivavy tia fihavanana nefa entina toy ny mpanao heloka bevava

Niresaka ny zavatra inoany tamin’ireo olona nipetraka tao amin’ny tranobe iray ao Bakou i Zakharchenko sy Jabrayilova, tamin’ny 5 Desambra 2014. Nosamborin’ny polisy izy ireo ary nafahany rehefa afaka ora vitsivitsy. Nampanantsoina imbetsaka anefa izy ireo mba halaina am-bavany. Nisy polisy avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena naka azy ireo, tamin’ny 17 Febroary 2015. Nentina tany amin’ny fitsarana tsy azon’ny besinimaro atrehina izy ireo mba hampangaina ho mpanao heloka bevava. Te hanaporofo ilay mpitsara fa mety ny hihazonana am-ponja vonjimaika azy roa vavy, ka nilaza izy hoe “mampidi-doza ny vahoaka” izy ireo. Avy hatrany dia nogadraina tao amin’ny foiben’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena izy roa vavy.

Nataon’ny polisy savahao ny tranon’izy ireo, nanomboka tamin’izay, ka nalainy ny boky ara-baiboly, fandraisana an-tsoratra, ordinatera, ary finday. Nampakatra fitsarana imbetsaka ny Vavolombelona sady nangataka hoe aleo ambenana ao amin’ny trano iray izy roa vavy fa tsy gadraina. Nolavin’ny fitsarana daholo anefa izany.

Tena mampanahy ny fahasalaman’izy ireo

Toa miharatsy ny fahasalaman’izy roa vavy, ka manahy ny havan’izy ireo sy ny namany ary ny mpisolovava azy. Efa 55 taona i Zakharchenko. Voan’ny aretin’ny tonon-taolana izy ary manan-takaitra eo amin’ny tongony ankavanana. Milaza ny dokotera fa efa kely sisa dia ho kilemaina tanteraka izy noho ireo zavatra mahazo azy ireo.

Tena mampanahy koa ny fahasalaman’izy ireo ara-pihetseham-po. Ny mpisolovavany ihany mantsy no avelan’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena hitsidika azy ireo. Indray mandeha isam-bolana ihany ny fianakavian’izy ireo no afaka mandefa akanjo sy fanafody ary savony. Te hampahery azy roa vavy ny havany ka saika hanome Baiboly, nefa tsy nanaiky ny Minisitera.

Tsy hanavakavaka fivavahana intsony ve i Azerbaïdjan?

Vavolombelona 20, fara fahakeliny, no nampanantsoin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy nalainy am-bavany, mba hahafahana manadihady momba an’i Zakharchenko sy Jabrayilova. Trano folo koa, fara fahakeliny, no natao savahao. Tsy vitan’izay fa mbola natao savahao ny Efitrano Fanjakana falehan’izy mirahavavy rehefa hivavaka. Solontena avy amin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy avy amin’ny Komitim-panjakana Misahana ny Fikambanana Ara-pivavahana ary polisy no nanao an’izany.

Tsy nanome safidy hafa ho an’i Zakharchenko sy Jabrayilova mihitsy ny manam-pahefana any Azerbaïdjan. Nandefa fitarainana tany amin’ny Biraon’ny Ambasadaoro ho An’ny Zon’olombelona àry ny Vavolombelon’i Jehovah. Niantso fikambanana iraisam-pirenena maro koa izy ireo mba hijery akaiky ny zava-misy any Azerbaïdjan. Tsy rariny mantsy ny fanagadrana azy roa vavy sy ny fomba itondran’ny manam-pahefana azy ireo. Efa nanao fifanarahana iraisam-pirenena anefa i Azerbaïdjan hoe hanaja ny zon’olombelona sy ny fahalalahana. Mirehareha koa izy hoe firenena tsy manavakavaka fivavahana.

Miangavy an-tanan-droa ny fitondrana any Azerbaïdjan ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanefa ny adidiny momba ny fanajana ny zon’olombelona, sy hamela ny Vavolombelona hiara-hivavaka an-kalalahana. Mangataka amin’ny fitondrana koa izy ireo mba hanafaka azy roa vavy tsy misy hataka andro, satria tsy manan-tsiny izy ireo.