MANOVA OLONA NY BAIBOLY

“Tsy Mieritreritra ny Hanova An’izao Tontolo Izao Intsony Aho”

“Tsy Mieritreritra ny Hanova An’izao Tontolo Izao Intsony Aho”
  • TERAKA: 1966

  • FIRENENA: FAILANDY

  • FIAINANY TALOHA: MPITOLONA NAFANA FO

NY FIAINAKO TALOHA:

Mbola kely aho dia efa tia zavaboary. Nisy ala sy farihy nahafinaritra teny akaikin’i Jyväskylä, tanànanay tany Failandy Afovoany. Nitsangantsangana teny ny fianakavianay matetika. Tia biby koa aho. Tiako hofihinina daholo izay saka sy alika hitako, tamin’izaho mbola kely. Nalahelo aho rehefa nihalehibe, satria nahita olona nampijaly biby. Niditra tao amin’ny fikambanana iray miaro ny zon’ny biby aho tatỳ aoriana, ary nihaona tamin’ny olona tia biby toa ahy.

Nazoto nanao hetsika hitakiana ny zon’ny biby izahay ary nitaona ny olona hilahatra an-dalam-be, satria tsy nankasitraka ny fivarotana hodi-biby sy ny fampiasana biby any amin’ny laboratoara. Nizara fanazavana momba izany koa izahay. Namorona fikambanana vaovao mpiaro ny biby mihitsy aza izahay. Matetika izahay no nifandona tamin’ny manam-pahefana, satria tafahoatra ny zavatra nataonay. Imbetsaka àry aho no voasambotra sy niakatra fitsarana.

Tsy ny resaka biby ihany no nanahiran-tsaina ahy, fa ny olana hafa koa. Niditra tamin’ny fikambanana maromaro aho, tatỳ aoriana, toy ny fikambanana iray mpiaro ny zon’olombelona sy ny fikambanana iraisam-pirenena miaro ny tontolo iainana. Nandray anjara navitrika tamin’ny zavatra nataon’ireny fikambanana ireny aho. Niady ho an’ny mahantra sy ny tsy ampy sakafo ary ny olona sahirana hafa koa aho.

Tsapako anefa, tatỳ aoriana, fa tsy afaka manova an’izao tontolo izao aho. Nahavaha an’ireo olana madinidinika ihany ireny fikambanana ireny, fa ny olana lehibe kosa vao mainka nitombo. Toy ny hoe nisy hery ratsy nanimba izao tontolo izao, nefa tsy nisy niraharaha. Tsapako hoe tsy afa-nanoatra aho.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO:

Nalahelo aho satria tsy afa-nanoatra, ka lasa nieritreritra momba an’Andriamanitra sy ny Baiboly. Efa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho taloha. Hitako hoe tsara fanahy sy nitady izay hahasoa ahy ry zareo tamin’izay, nefa tsy vonona hiova aho. Hafa mihitsy anefa ny fihetseham-poko tamin’ity.

Navoakako ny Baiboliko ary novakiko. Tena nampahery ahy ny zavatra hitako tao. Misy andinin-teny maromaro milaza fa tsy tokony hampijaly biby isika. Milaza, ohatra, ny Ohabolana 12:10 hoe: “Mitsimbina ny ain’ny biby fiompiny ny marina.” Lasa fantatro koa hoe tsy Andriamanitra no mahatonga ny olana eran-tany, fa ny olona ihany. Vao mainka aza miharatsy ny fiainana satria tsy manaraka ny tari-dalany ny ankamaroan’ny olona. Tena faly koa aho nahalala fa be fitiavana sy mahari-po i Jehovah.—Salamo 103:8-14.

Nahita tapakila fangatahana ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? aho tamin’izay. Nofenoiko ilay izy dia nalefako. Nisy mpivady Vavolombelona tonga tao amiko, tsy ela taorian’izay. Nanasa ahy hianatra Baiboly izy ireo ary nanaiky aho. Nivory niaraka tamin’izy ireo tany amin’ny Efitrano Fanjakana koa aho. Lasa tiako ny zavatra nianarako tao amin’ny Baiboly.

Niova be aho rehefa nianatra Baiboly. Tsy nifoka intsony aho sady tsy niboboka toaka. Nohatsaraiko ny paoziko sy ny fomba fiteniko. Tsy nikomy tamin’ny manam-pahefana intsony koa aho. (Romanina 13:1) Tsy nahafehy tena aho teo amin’ny resaka fitondran-tena nefa nahavita niova.

Tena sarotra tamiko anefa ny niaiky hoe tokony hiala amin’ireo fikambanana mpiaro ny zon’olombelona sy ny biby aho. Nihevitra aho tamin’ny voalohany hoe mivadika amin’izy ireo raha manao izany. Lasa fantatro anefa fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no mahavaha ny olana eran-tany. Tapa-kevitra àry aho fa hanao izay fara heriko mba hanohanana an’io Fanjakana io sy hanampiana ny hafa hahafantatra azy io.—Matio 6:33.

NY SOA NORAISIKO:

Nihevitra aho tamin’izaho mbola mpitolona, fa rehefa tsy tsara ny olona iray dia ratsy. Ary vonona foana aho hiady amin’izay noheveriko fa ratsy. Tsy nankahala olona toy izany intsony anefa aho rehefa nianatra Baiboly. Miezaka ny ho tia ny karazan’olona rehetra kosa aho. (Matio 5:44) Mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, ohatra, aho mba hampisehoako an’izany. Faly aho mahita hoe mampirisika ny olona ho tia fihavanana io asa an-tsitrapo io, ary mahatonga ny olona hanantena hoavy sambatra.

Miantehitra tanteraka amin’i Jehovah aho izao, ka lasa milamina ny saiko. Resy lahatra aho fa tsy havelan’ny Mpamorona hijaly mandrakizay ny olona sy ny biby. Tsy havelany ho potika koa ity tany soantsika ity. Tsy ho ela kosa izy dia hanarina ny tsy mety rehetra, amin’ny alalan’ilay Fanjakany. (Isaia 11:1-9) Tena faly aho mahalala an’izany rehetra izany sy manampy ny hafa hatoky an’izany. Tsy mieritreritra ny hanova an’izao tontolo izao intsony aho.