NY TILIKAMBO FIAMBENANA—FIANARANA Septambra 2013

Resahina ato hoe ahoana no hahaizana manapa-kevitra sy hanatsarana ny fifandraisana amin’i Jehovah ary handraisana soa amin’ny fampahatsiahivany.

Mahasoa Anao Ireo Hevitra Ampifanoherina

Matetika i Jesosy no nampifanohitra hevitra. Ho hitanao ato hoe ahoana no anahafanao azy rehefa mampianatra Baiboly.

Azo Itokisana ny Fampahatsiahivan’i Jehovah

Nampiasa fampahatsiahivana foana i Jehovah mba hitarihana ny vahoakany. Nahoana isika no afaka matoky ny fampahatsiahivany?

Mahafaly ny Fonao ve ny Fampahatsiahivan’i Jehovah?

Faly ve isika mankatò ny didin’i Jehovah sa maneritery antsika izy ireny indraindray? Ahoana no hahatonga antsika hatoky fa mahasoa antsika ny fampahatsiahivany?

Efa Niova ve Ianao?

Nahoana ny Kristianina rehetra no mila ‘miova’? Inona no fiovana mila ataon’ny Kristianina tsirairay, ary inona no hanampy antsika hiova?

Ahoana no Hahaizanao Manapa-kevitra?

Inona no hanampy antsika handray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra? Inona no hanampy antsika hanatanteraka ny fanapahan-kevitra noraisintsika?

Manampy Antsika ho Akaiky Kokoa An’i Jehovah ny Asan’ny Mpisava Lalana

Hita ato ny antony valo ilazana fa lasa akaiky kokoa an’i Jehovah izay manao ny asan’ny mpisava lalana. Inona no hanampy anao hanohy an’io fanompoana io?

Fanontanian’ny Mpamaky

Nahoana i Jesosy no nitomany talohan’ny hananganany an’i Lazarosy, araka ny Jaona 11:35?