NY TILIKAMBO FIAMBENANA—FIANARANA Janoary 2014

Hoporofoina ato fa efa Mpanjaka foana i Jehovah. Hanampy antsika koa ity gazety ity mba hankasitraka kokoa ny Fanjakan’ny Mesia sy izay ataony.

Nahafoy Tena Izy Ireo: Afrika Andrefana

Ho hitanao ato hoe nahoana ny Eoropeanina sasany no nifindra tatsy Afrika Andrefana, ary nanao ahoana ny fiainany tany.

Manompoa An’i Jehovah, Ilay Mpanjakan’ny Mandrakizay

Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa Ray izy sady Mpanjaka? Hanampy anao hifandray kokoa amin’i Jehovah ny valin’izany.

Ny Zava-bitan’ilay Fanjakana Tato Anatin’ny 100 Taona

Inona no soa entin’ilay Fanjakana ho antsika? Diniho ato ny ataon’ilay Mesia Mpanjaka mba hanadiovana sy hampianarana ary handaminana ny vahoakany.

Ry Tanora, Mahaiza Misafidy

Betsaka ny zavatra mahafaly iainan’ireo tanora manampy ny hafa. Inona no azonao atao raha tianao ny ho afa-po kokoa amin’ny fanompoana an’i Jehovah?

Manompoa An’i Jehovah Dieny Mbola Tsy Tonga ny Andro Mahory

Inona no azon’ny Kristianina efa zokinjokiny atao mba hanompoana bebe kokoa?

Rahoviana no ‘ho Tonga Ilay Fanjakana’?

Nahoana isika no afaka matoky fa efa hanao zavatra ilay Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra, ka hatao etỳ an-tany ny sitrapon’Andriamanitra?

Ilay Safidiko Tamin’izaho Mbola Kely

Nanapa-kevitra hianatra teny kambôdzianina ny ankizilahy iray avy any Columbus, Etazonia. Nahoana? Inona no vokatr’izany teo amin’ny fiainany?