NY TILIKAMBO FIAMBENANA—FIANARANA Aogositra 2017

Ho hitanao ao ny lahatsoratra hianarana manomboka ny herinandron’​ny 25 Septambra ka hatramin’​ny 22 Oktobra 2017.

Vonona Hiandry An’i Jehovah ve Ianao?

Tsy nanameloka an’ireo mpanompony tsy mivadika i Jehovah, rehefa nanontany izy ireo hoe mandra-pahoviana izy ireo no hiaritra ny fahoriana nanjo azy.

‘Lehibe Lavitra Noho ny Eritreritra Rehetra ny Fiadanan’Andriamanitra’

Efa nieritreritra ve ianao hoe fa maninona no navelan’Andriamanitra hitranga ny olana sasany nahazo anao? Inona no hanampy anao hiaritra sady hatoky azy foana?

TANTARAM-PIAINANA

Notahin’i Jehovah Izahay Satria Tsy Nivadika Mihitsy

Ombivavy no nangatahin’izy ireo nefa ondry no notadiaviny. Fa nahoana? Ho hitanao ao amin’io tantaram-piainan’i Pavel sy Maria Sivulsky io ny valin’izany.

Inona no Hanampy Antsika Tsy Hiverina Amin’ny Toetrantsika Taloha?

Tsy ampy ny miala amin’ny toetra taloha. Ilaina koa ny miezaka tsy hiverina amin’izany. Ahoana no hahavitana an’izany raha efa tena zatra manao ratsy isika?

Inona no Hanampy Antsika Hitafy ny Toetra Vaovao Foana?

Afaka manampy anao hanana ny toetra tiany hanananao i Jehovah. Hita ato hoe ahoana no hahatonga anao hahay hangoraka, ho tsara fanahy, hanetry tena, ary halemy fanahy.

Toetra Faran’izay Tsara ny Fitiavana

Milaza ny Baiboly fa lasa manam-pitiavana isika rehefa iasan’ny fanahy masina. Inona no atao hoe fitiavana? Ahoana no hananana azy io sy hampisehoana azy io isan’andro?

FANTARO NY TANTARANTSIKA

“Rahoviana Indray no Misy Fivoriambe E?”

Inona no nampiavaka an’ilay fivoriambe natao tany Mexico tamin’ny 1932?

Fanontanian’ny Mpamaky

Nahoana no tsy mitovy amin’ny an’i Lioka ny zavatra nosoratan’i Matio momba ny fahazazan’i Jesosy sy ny tetirazany?