NY TILIKAMBO FIAMBENANA—FIANARANA Janoary 2019

Ho hitanao ao ny lahatsoratra hianarana manomboka ny herinandron’​ny 4 Martsa ka hatramin’​ny 7 Aprily 2019

“Aza Manahy fa Izaho no Andriamanitrao”

Inona no azontsika atao mba ho tony rehefa misy olana? Hiresaka hevitra telo afaka manampy antsika ity lahatsoratra ity.

Miderà An’i Jehovah Rehefa any Am-pivoriana

Sarotra aminao ve ny mamaly any am-pivoriana? Horesahina ato hoe nahoana isika no mety hatahotra hamaly, ary inona no hanampy antsika ho sahy hanome valin-teny.

Ahoana no Hiarovanao ny Fonao?

Ahoana no animban’i Satana ny fontsika, ary ahoana no hiarovantsika azy io?

Tsotra Nefa Ianarana Zavatra Betsaka

Nahoana ny Fahatsiarovana no manasongadina hoe tena manetry tena sy be herim-po ary be fitiavana i Jesosy?

Nahoana Isika no Manatrika Fivoriana?

Nahoana isika no hazoto hivory raha be fitiavana sy manetry tena ary be herim-po?

Niampy Iray ny Rahalahy ao Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Hita ato ny mombamomba an’i Kenneth Cook.