NY TILIKAMBO FIAMBENANA—FIANARANA Martsa 2019

Ho hitanao ao ny lahatsoratra hianarana manomboka ny herinandron’ny 6 Mey ka hatramin’ny 2 Jona 2019

Inona no Misakana Ahy Tsy Hatao Batisa?

Efa mahafantatra an’i Jehovah Andriamanitra ny olona sasany nefa mbola misalasala hoe hatao batisa sa tsia. Inona no mety hanampy azy ireo?

Henoy ny Feon’i Jehovah

Ahoana no fomba iresahan’i Jehovah amintsika? Inona no tokony hataontsika raha te handray soa amin’izany isika?

Mahaiza Miombom-pihetseham-po Amin’ny Hafa

Ahoana no ampisehoan’i Jehovah sy Jesosy hoe miombom-pihetseham-po amin’ny hafa izy ireo, ary ahoana no anahafantsika azy ireo?

Mahaiza Mangoraka ny Olona eny Amin’ny Faritany

Misy fomba efatra azontsika ampisehoana hoe mangoraka ny olona itoriantsika isika. Inona avy izany?

Ahoana no Hananana Hatsaran-toetra?

Hoatran’ny ahoana ny olona tsara toetra? Nahoana isika no tokony hiezaka mafy ho tsara toetra?

Zava-dehibe Amin’i Jehovah ny Filazanao hoe “Amena”

Zatra manao ‘amena’ ny olona rehefa mivavaka. Inona no dikan’io teny io? Ahoana no nampiasana azy io ao amin’ny Baiboly?