NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) Martsa 2020

Ho hitanao ato ny lahatsoratra hianarana manomboka ny herinandron’ny 4 Mey ka hatramin’ny 31 Mey 2020.

Haniry Hatao Batisa Ianao Raha Tia An’i Jehovah

Mety handrisika anao haniry hatao batisa ny fitiavana an’i Jehovah. Inona anefa no mety hisakana anao tsy hatao batisa?

Vonona Hatao Batisa ve Ianao?

Misy fanontaniana maromaro hodinihina ato, ka hanampy anao hanapa-kevitra raha vonona hatao batisa ianao.

Rahoviana no Fotoana Tokony Hitenenana?

Handinika ohatra avy ao amin’ny Baiboly isika ato, mba hahalalantsika hoe rahoviana no tokony hiteny ary rahoviana no tokony hangina.

Miezaha Hifankatia Amin’ny Fo

Nilaza i Jesosy fa ny fitiavana no amantarana ny tena Kristianina. Nahoana ny fitiavana no manampy antsika mba hampisy fihavanana sy tsy hanavakavaka ary ho tia mandray vahiny?