Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY TILIKAMBO FIAMBENANA No. 1 2021 | Tena Ilaina ve ny Mivavaka?

Nisy fotoana ve ianao nieritreritra hoe tsy mamaly ny vavaka ataonao Andriamanitra? Maro no mieritreritra hoatr’izany. Nanana olana izy ireo dia nangataka fanampiana tamin’Andriamanitra, nefa mbola tsy nivaha foana ilay izy. Hazavaina ato hoe nahoana isika no afaka matoky fa mihaino ny vavaka ataontsika Andriamanitra, nahoana izy no tsy mamaly ny vavaka sasany, ary inona no tokony hataontsika raha tiantsika hamaly ny vavaka ataontsika izy.

 

Inona no Lazain’ny Olona Momba ny Vavaka?

Fanomezana miavaka avy amin’Andriamanitra ve ny vavaka, sa tsy mahasoa akory izy io fa fombafomba fotsiny?

Mihaino ny Vavaka Ataontsika ve Andriamanitra?

Manome toky antsika ny Baiboly hoe mihaino ny vavaka ataontsika Andriamanitra, raha mifanaraka amin’ny zavatra takiny ilay izy.

Nahoana no Tsy Misy Valiny ny Vavaka Sasany?

Vavaka hoatran’ny ahoana no valian’Andriamanitra ary hoatran’ny ahoana no tsy valiany? Mamaly an’izany ny Baiboly.

Inona no Tokony Hataonao?

Afaka miresaka amin’Andriamanitra ianao na aiza na aiza ary na rahoviana na rahoviana. Henony na dia ny vavaka ao am-ponao aza. Nampianarin’i Jesosy antsika mihitsy aza izay tokony holazaina.

Inona ny Soa Raisinao Rehefa Mivavaka Ianao?

Afaka manampy anao hiatrika ny olana mahazo anao ve ny vavaka?

Mihaino ny Vavaka Ataonao ve Andriamanitra?

Milaza ny Baiboly hoe mihaino anao Andriamanitra sady te hanampy anao rehefa mivavaka aminy ianao.