Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NY TILIKAMBO FIAMBENANA No. 3 2021 | Ahoana no Hanananao Hoavy Sambatra?

Ahoana no hanananao hoavy sambatra? Hijery ny zavatra sasany ataon’ny olona isika ato. Ho hitanao avy amin’izany raha mety ny safidy ataonao na tsia. Horesahina ato koa hoe ahoana no tena hananana hoavy sambatra.

 

Iza no Tsy Maniry Hoavy Sambatra?

Lasa mikorontana ny fiainan’ny olona, rehefa misy zavatra tsy ampoizina mitranga. Aiza no ahitanao tari-dalana azo antoka amin’ny fotoana hoatr’izany?

Miankina Amin’ny Inona Marina ny Hoavinao?

Be dia be no mino hoe miankina amin’ny lahatra, ny vintana, ny razana, na ny fiainany teo aloha ny hoaviny. Manatona mpanandro, manao feng shui, na mivavaka amin’ny razana àry izy ireo mba hananana hoavy sambatra.

Manampy ve ny Fianarana Ambony sy ny Vola?

Maro no nandranto fianarana sy nikatsaka harena, nefa diso fanantenana.

Ampy ve ny hoe Manao ny Tsara?

Zava-dehibe ny hoe manao ny tsara. Tsy ampy anefa izany raha te hanana hoavy sambatra.

Misy Tari-dalana Azo Antoka Ve?

Rehefa hanapa-kevitra isika, dia matetika no manontany olona ela niainana sy hendry kokoa noho isika. Afaka mahita tari-dalana azo antoka momba ny hoavy koa isika.

Afaka Mifidy ny Hoavinao Ianao

Inona no safidy azontsika atao?

Hoavy Sambatra

Araka ny hevitrao, ahoana no hananana hoavy sambatra?