Efa ao Ambadika Ao

Efa ao Ambadika Ao

Haka:

  1. 1. ’Njao manako toa mozika

    ’Zany siokam-boronkely.

    Ny masoandro mibaliaka,

    ’Reto voninkazo hafakely!

    Ary efa hotsenainao

    Ireo havana tianao.

    Hay ’zao paradisa izao,

    Hay tao akaiky tao!

  2. 2. Trano kely mahasondriana,

    Eo amoron’ny farihy.

    Misy rano mikoriana

    Avy erỳ an-dohasaha erỳ.

    Hatreny ambony havoana,

    Ny sakafo tsy maha ory.

    Hay tsy nofy tsy akory,

    Fa tao akaiky tao.

    (TETEZANA)

    ’Zay rehetra tiana, ’zay mba nirina

    Dia ’zao tanteraka am’izay.

    Ireo tomany nivalona any,

    Fa meva sy tanora indray.

  3. 3. Vonin-draozy vao mamony

    No mamerovero anao.

    Lavorary, faly, tony,

    Eo anilan’ireo namanao.

    Dia misaotra an’i Jehovah,

    Noho ’reo zavatra nomeny.

    ’Reny rehetra rehetra ireny,

    Hay tao akaiky tao!

    (TETEZANA)

    Fotoana mamy tsy mety lany,

    Tsy nofinofy akory izao.

    Ry ilay lalaiko, ry sombin’ny aiko,

    Avia fihiniko eto ianao!

  4. 4. Ho avy ilay ampitso,

    Ary efa ao ambadika ao.

    Fa Jehovah tsy mba diso,

    Ka matoky izany aho, dieny izao.

    Hiandry foana aho fa tsy ho kivy,

    Satria efa kely sisa.

    Ilay tany paradisa

    Efa ao ambadika ao.