Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?

Avy amin’ny foko samihafa sy kolontsaina isan-karazany ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Inona anefa no mahatonga azy ireo hiray saina?

Inona no Sitrapon’Andriamanitra?

Tian’i Jehovah hahalala ny sitrapony ny olona rehetra eran-tany. Inona izany sitrapony izany? Ary iza no mampahafantatra ny hafa ny momba izany?

LESONA 1

Iza moa ny Vavolombelon’i Jehovah?

Firy ny Vavolombelon’i Jehovah fantatrao? Ary inona no tena fantatrao momba anay?

LESONA 2

Nahoana Izahay no Antsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah?

Diniho ato ny antony telo nahatonga io anarana io.

LESONA 3

Ahoana no Nahalalana Indray ny Tena Marina?

Nahoana isika no afaka matoky fa marina izay ampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah avy ao amin’ny Baiboly?

LESONA 4

Nahoana Izahay no Namoaka Baiboly?

Inona no mampiavaka ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao?

LESONA 5

Inona no ho Hitanao any Amin’ny Fivorianay?

Mivory izahay mba hianatra Baiboly sy hifampahery. Faly izahay manasa anao hiara-mivory aminay!

LESONA 6

Nahoana no Tena Ilaina ny Miaraka Amin’ny Mpiray Finoana?

Mampirisika ny Kristianina ny Baiboly mba hiaraka amin’ireo mpiray finoana. Nahoana izany no hahasoa anao?

LESONA 7

Inona no Ataonay Rehefa Mivory?

Efa mba nieritreritra ve ianao hoe inona no ataonay rehefa mivory? Tena ho gaga ianao raha tonga any, satria tena mahaliana ny fampianarana ara-baiboly any.

LESONA 8

Nahoana Izahay no Miezaka Miakanjo Tsara Rehefa Mivory?

Zava-dehibe amin’Andriamanitra ve ny akanjo anaovan’ny mpivavaka aminy? Ianaro ireo toro lalan’ny Baiboly arahinay rehefa hifidy akanjo.

LESONA 9

Inona no Atao Rehefa Manomana Fivoriana?

Handray soa bebe kokoa ianao raha manomana tsara alohan’ny fivoriana.

LESONA 10

Inona no Atao hoe Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana?

Hifankatia kokoa ny fianakavianao sady ho lasa akaiky an’i Jehovah, raha miara-manao fotoam-pivavahana. Fantaro ato izany.

LESONA 11

Nahoana Izahay no Manao Fivoriambe?

Manao fivoriambe intelo isan-taona izahay. Inona ny soa horaisinao raha manatrika izany?

LESONA 12

Ahoana no Andaminana ny Asa Fitoriana Ataonay?

Manahaka an’i Jesosy izahay rehefa mitory. Ahoana no nataony?

LESONA 13

Inona no Atao hoe Mpisava Lalana?

Mahavita fitoriana 30 na 50 ora isam-bolana ny Vavolombelona sasany, ary misy aza mihoatra an’izany. Nahoana izy ireo no mazoto be toy izany?

LESONA 14

Inona avy ny Sekoly Azon’ny Mpisava Lalana Atao?

Inona ny sekoly natao hampiofanana ny olona manokana fotoana be dia be mba hitoriana?

LESONA 15

Inona ny Andraikitry ny Anti-panahy?

Lehilahy matotra ny anti-panahy, ary miandraikitra ny fiangonana. Inona avy no ataon’izy ireo?

LESONA 16

Inona ny Andraikitry ny Mpanampy Amin’ny Fanompoana?

Mampizotra tsara ny asan’ny fiangonana ny mpanampy amin’ny fanompoana. Nahoana no mahasoa ny mpivory ny zavatra ataon’izy ireo?

LESONA 17

Inona no Ataon’ny Mpiandraikitra Mpitety Faritany?

Nahoana ny mpiandraikitra ny faritra no mitsidika fiangonana? Inona no azonao atao mba handray soa ianao rehefa mitsidika izy ireo?

LESONA 18

Ahoana no Ataonay Rehefa Iharam-boina ny Mpiray Finoana Aminay?

Rehefa misy loza, dia ataonay haingana izay hanomezana fanampiana sy hampaherezana an’ireo tra-boina. Ahoana izany?

LESONA 19

Iza ny Mpanompo Mendri-pitokisana sy Malina?

Nampanantena i Jesosy fa hisy mpanompo hanome sakafo ara-panahy ara-potoana ho an’ny mpianany. Ahoana no anaovan’ilay mpanompo izany?

LESONA 20

Inona no Ataon’ny Filan-kevi-pitantanana?

Ny apostoly sy ny anti-panahy no filan-kevi-pitantanana nitarika ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany. Ahoana kosa ankehitriny?

LESONA 21

Inona no Atao hoe Betela?

Toerana tena miavaka ny Betela. Inona ny tanjon’ireo Vavolombelona miasa an-tsitrapo any? Fantaro ato izany.

LESONA 22

Inona no Atao any Amin’ny Biraon’ny Sampana?

Asaina ianao hitsidika ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy olona efa vonona handray anao ao. Tongava àry mitsidika Betela!

LESONA 23

Ahoana no Anoratana sy Andikana ny Boky sy Gazety?

Mamoaka boky sy gazety amin’ny fiteny 600 mahery izahay. Nahoana izahay no manao izany?

LESONA 24

Ahoana no Ahazoanay Vola Hamitana ny Asanay Maneran-tany?

Inona no tsy itovizan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fivavahana hafa?

LESONA 25

Nahoana Izahay no Manao Efitrano Fanjakana?

Nahoana ny trano ivavahanay Vavolombelon’i Jehovah no antsoina hoe Efitrano Fanjakana? Avy aiza ny vola anamboarana azy ireny?

LESONA 26

Inona no Azonao Atao mba Hikojakojana Efitrano?

Manome voninahitra an’Andriamanitra ny Efitrano Fanjakana rehefa madio sy voakojakoja tsara. Inona avy no atao mba hikarakarana azy io?

LESONA 27

Nahoana no Asiana Fitehirizam-boky ao Amin’ny Efitrano Fanjakana?

Te hanao fikarohana ve ianao satria misy hevitra tianao ho azo ao amin’ny Baiboly? Ampiasao ny fitehirizam-boky ao amin’ny Efitrano Fanjakana.

LESONA 28

Inona avy no ao Amin’ny Tranonkalanay ao Amin’ny Internet?

Tianao ho fantatra ve ny momba anay sy ny zavatra inoanay? Manana fanontaniana momba ny Baiboly ve ianao? Jereo ato ny valiny.

Hanao ny Sitrapon’i Jehovah ve Ianao?

Tena tia anao i Jehovah. Ahoana no anaporofoanao fa te hanao ny sitrapony ianao isan’andro?