Manatòna An’i Jehovah

Manasa anao hanatona azy Andriamanitra. Hatoron’ity boky ity anao avy ao amin’ny Baiboly ny fomba hanaovana an’izany.

Sasin-teny

Afaka ny ho naman’i Jehovah Andriamanitra mandrakizay ianao.

TOKO 1

“Izy no Andriamanitsika!”

Nahoana i Mosesy no mbola nanontany ny anaran’Andriamanitra ihany nefa efa fantany ilay izy?

TOKO 2

Tena Afaka ‘Manatona An’Andriamanitra’ ve Ianao?

Manasa antsika hanatona azy i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany. Mampanantena koa izy fa hanatona antsika.

TOKO 3

“Masina, Masina, Masina i Jehovah”

Nahoana no ampifandraisin’ny Baiboly ny fahamasinana sy ny hatsaran-tarehy na voninahitra?

TOKO 4

‘Tena Mahery i Jehovah’

Tokony hatahotra an’Andriamanitra ve isika satria mahery izy? Sady eny no tsia ny valiny.

TOKO 5

Hery Hamoronana: “Ilay Mpanao ny Lanitra sy ny Tany”

Mampianatra zavatra lehibe momba an’Andriamanitra ny zavatra noforoniny, hatramin’ny ngezabe hoatran’ny masoandro ka hatramin’ny kely indrindra hoatran’ny kôlibria.

TOKO 6

Hery Handringanana: “Mpiady Tena Mahery i Jehovah”

Nahoana no miady “ilay Andriamanitry ny fiadanana”?

TOKO 7

Hery Hiarovana: ‘Fialofana ho Antsika Andriamanitra’

Misy fomba roa iarovan’Andriamanitra ny mpanompony. Ilay fomba iray anefa no tena zava-dehibe indrindra.

TOKO 8

Hery Hamerenana Amin’ny Laoniny: Ataon’i Jehovah “Vaovao ny Zava-drehetra”

Efa naverin’i Jehovah tamin’ny laoniny ny fivavahana madio. Inona no haveriny amin’ny laoniny amin’ny hoavy?

TOKO 9

“I Kristy no Isehoan’ny Herin’Andriamanitra”

Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah rehefa jerena ny fahagagana nataon’i Jesosy sy ny fampianarany?

TOKO 10

“Tahafo ... Andriamanitra” Rehefa Mampiasa Hery

Mety hanana hery mihoatra noho izay eritreretinao ianao. Ahoana no ampiasanao an’izany amin’ny fomba tsara?

TOKO 11

“Manao ny Rariny Foana Izy”

Nahoana no mahatehotia ilay toetran’Andriamanitra hoe tia rariny?

TOKO 12

“Manao ny Tsy Rariny ve Andriamanitra?”

Raha mankahala ny tsy rariny i Jehovah, dia maninona no manjaka ny tsy rariny?

TOKO 13

“Tonga Lafatra ny Lalàn’i Jehovah”

Ahoana izany hoe fehezan-dalàna mampianatra haneho fitiavana izany?

TOKO 14

Nanome “Vidim-panavotana ho Takalon’ny Olona Maro” i Jehovah

Misy fampianarana tsotra nefa lalina izay hanampy anao hanatona kokoa an’Andriamanitra.

TOKO 15

‘Hanao ny Rariny eto An-tany’ i Jesosy

Ahoana no nampiharan’i Jesosy ny rariny taloha? Ahoana no anaovany an’izany izao? Ahoana no hanaovany ny rariny amin’ny hoavy?

TOKO 16

‘Manaova ny Rariny’ Rehefa Miara-mandeha Amin’Andriamanitra

Tafiditra amin’ny hoe manao ny rariny ny manaraka fitsipika momba ny tsara sy ny ratsy ary ny mitondra tsara ny hafa.

TOKO 17

“Tsy Misy Fetrany ... ny Fahendreny!”

Nahoana ny fahendren’Andriamanitra no lehibe kokoa noho ny fahalalany sy ny fahatakarany ary ny fahaizany manavaka?

TOKO 18

Fahendrena ao Amin’ny “Tenin’Andriamanitra”

Maninona Andriamanitra no nampiasa olona mba hanoratra ny heviny ao anaty boky iray, ary nahoana ny zavatra sasany no nosoratana na tsy nosoratana ao?

TOKO 19

“Fahendren’Andriamanitra ao Amin’ny Zava-miafina Masina”

Inona ilay zava-miafina masina nampahafantarin’Andriamanitra tsikelikely?

TOKO 20

“Manana Fo Hendry” Nefa Manetry Tena

Ahoana no mahatonga an’ilay Tompo Fara Tampony eo amin’izao rehetra izao hanetry tena?

TOKO 21

Mampahafantatra ny “Fahendren’Andriamanitra” i Jesosy

Tena nampiaiky ny fampianaran’i Jesosy, ka na dia ireo miaramila nirahina hisambotra azy aza nody maina fotsiny!

TOKO 22

Hita Amin’ny Fiainanao ve ny “Fahendrena avy any Ambony”?

Miresaka fomba efatra manampy anao hanana ny fahendrena avy amin’Andriamanitra ny Baiboly.

TOKO 23

“Izy no Tia Antsika Voalohany”

Inona no tena dikan’ilay hoe “Andriamanitra dia fitiavana”?

TOKO 24

Tsy Misy ‘Hahatonga An’Andriamanitra Tsy ho Tia Antsika Intsony’

Inona no manampy anao tsy hino an’ilay lainga hoe tsy misy dikany amin’Andriamanitra ianao sady tsy tiany?

TOKO 25

“Tena Mangoraka Ilay Andriamanitsika”

Nahoana no mitovy amin’izay tsapan’ny reny amin’ny zanany no tsapan’i Jehovah aminao?

TOKO 26

Andriamanitra “Vonona Hamela Heloka” Izy

Raha tonga lafatra ny fitadidian’Andriamanitra, ahoana no hahavitany sady mamela heloka no manadino?

TOKO 27

“Tena Tsara Toetra ... Izy”

Nahoana tokoa no lazaina fa tsara toetra Andriamanitra?

TOKO 28

“Ianao Irery Ihany ... no Tsy Mivadika”

Nahoana no tsara kokoa ilay toetran’Andriamanitra hoe tsy mivadika noho ilay izy hoe azo ianteherana?

TOKO 29

“Ho Fantatrareo ... ny Fitiavan’i Kristy”

Fomba telo nampisehoan’i Jesosy fa tena nanahaka tanteraka ny fitiavan’i Jehovah izy.

TOKO 30

“Miezaha Foana Haneho Fitiavana”

Resahin’ny 1 Korintianina ny fomba maro azontsika anehoana fitiavana.

TOKO 31

“Manatòna An’Andriamanitra, dia Hanatona Anareo Izy”

Saintsaino izao: ‘Inona no hasetriko ny fitiavan’i Jehovah?’ Ahoana no hamalianao an’io fanontaniana tena lehibe io?