Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra

Natao hanampiana anao hahay kokoa hamaky teny sy handaha-teny ary hampianatra ity bokikely ity.

Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana

Isika no nasain’i Jehovah hitory ny vaovao tsara. Mbola tsy nisy hafatra lehibe noho izany mihitsy.

LESONA 1

Mahaiza Mampidi-dresaka

Misy zavatra telo tokony hataonao raha te hahay hampidi-dresaka ianao.

LESONA 2

Ataovy Hoatran’ny hoe Miresaka Andavanandro Ianao

Aza amboamboarina ny teninao. Tsy ho sorena ny olona iresahanao amin’izay sady ho vonona hampihatra an’izay lazainao.

LESONA 3

Mahaiza Mametraka Fanontaniana

Mametraha fanontaniana mahaliana sy fanontaniana manampy ny olona hahatadidy hevi-dehibe.

LESONA 4

Mahaiza Mampiditra Andinin-teny

Ho hitanao ato hoe inona no azonao atao alohan’ny hamakianao andinin-teny amin’ny olona.

LESONA 5

Aza Asiana Diso ny Vakiteninao

Aza asiana diso ny vakiteninao mba ho azon’ny olona tsara izay zavatra ampianarinao momba an’i Jehovah.

LESONA 6

Hazavao Tsara Izay Andinin-teny Ampiasainao

Ampio ny olona hahita hoe inona no ifandraisan’ilay andinin-teny novakinao amin’ilay hevitra resahinao

LESONA 7

Zavatra Marina Foana Ampianarina

Mitadiava porofo marina tsara mba tsy ho diso ny zavatra ampianarinao.

LESONA 8

Manaova Fanoharana Mandaitra

Tokony ho tsotra ilay fanoharana nefa mahaliana. Hanampy ny olona hahatadidy ny hevitra tianao hampianarina izany.

LESONA 9

Mampisehoa Video na Sary

Mampisehoa video na sary mba ho mora tadidy ny zavatra ampianarinao.

LESONA 10

Ovaovao ny Feonao

Ovaovao ny haavon’ny feonao sy ny hafainganany, dia hanohina ny fo izay lazainao sady hazoto hampihatra an’ilay izy ny olona.

LESONA 11

Miezaha Hafana Fo

Ho hita amin’ny fihetsikao sy ny endrikao izay any am-ponao, raha mafana fo ianao. Ho liana amin’izay lazainao koa ny olona.

LESONA 12

Miezaha ho Tsara Fanahy sy Hangoraka

Ho hitan’ny olona iresahanao hoe tena te hanampy azy ianao, raha ataonao tsapany hoe vokatry ny fo izay lazainao.

LESONA 13

Ataovy Hitany hoe Azo Ampiharina Ilay Hevitra

Ampio ny olona hahita hoe natao ho an’azy ilay zavatra ampianarinao, sady azony ampiharina tsara.

LESONA 14

Ataovy Misongadina ny Hevi-dehibe

Ataovy mazava tsara hoe inona avy ny hevi-dehibe, dia inona no ifandraisany amin’ny tanjon’ilay lahateny sy ny foto-kevitra..

LESONA 15

Asehoy hoe Tena Mino An’izay Lazainao Ianao

Asehoy fa tena resy lahatra ianao hoe marina ny teninao sady tena mila mihaino an’ilay izy ny olona.

LESONA 16

Miezaha Hiteny Zavatra Tsara sy Mampahery

Aza tia miresaka zavatra mahakivy, fa miresaha hevitra mampahery avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

LESONA 17

Ataovy Tsotra sy Mora Azo ny Fanazavanao

Ataovy azon’ny olona tsara ny tena tianao holazaina. Hazavao tsara ny hevi-dehibe.

LESONA 18

Miresaha Zavatra Mahaliana sy Mahasoa

Miresaha hevitra manaitra ny sain’ny olona sy mahasoa azy.

LESONA 19

Miezaha Hanohina ny Fo

Ampirisiho handini-tena sy hisaintsaina ny olona iresahanao mba ho tia an’Andriamanitra sy ny Teniny izy.

LESONA 20

Ataovy Mety Tsara ny Teny Famaranana

Ampio ny olona hiaiky hoe marina izay nianarany sady azony ampiharina.

Inona ny Ezaka Efa Nataoko?

Tianao ho hita ve raha tena mahay mamaky teny tsara sy mahay mampianatra ianao na tsia? Jereo àry hoe inona ny ezaka efa nataonao.

Mety ho Tianao Koa

VIDEO MIFAMPITOHY

Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra: Video

Hanampy anao hanatsara ny fahaizanao mamaky teny sy mampianatra ireto video ireto.