Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Eksodosy 20:12: “Hajao ny Rainao sy ny Reninao”

Eksodosy 20:12: “Hajao ny Rainao sy ny Reninao”

 “Hajao ny rainao sy ny reninao mba ho lava andro iainana ianao, eo amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao.”—Eksodosy 20:12, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Manajà ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro hianao ao amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao ho anao.”—Eksodosy 20:12, Fandikan-teny Protestanta.

Inona no tian’ny Eksodosy 20:12 holazaina?

 Nandidy ny Israelita fahiny mba hanaja ray aman-dreny Andriamanitra. Vao mainka izy ireo tokony hankatò an’izany, satria nampanantena Andriamanitra fa misy soa ho azon’izy ireo avy amin’izany. Marina fa tsy voatery manaraka an’izay voalazan’ny Lalàn’Andriamanitra ho an’ny Israelita, na ny Lalàn’i Mosesy, intsony ny Kristianina. Tsy niova anefa ny fitsipik’Andriamanitra. Mbola marina foana ny toro lalana niorenan’ireny lalàna ireny hatramin’izao, ka zava-dehibe amin’ny Kristianina.—Kolosianina 3:20.

 Manome voninahitra ny ray aman-dreniny ny zanaka, na mbola kely izy na efa lehibe, rehefa manaja sy mankatò azy ireo. (Levitikosy 19:3; Ohabolana 1:8) Na efa manana ny tokantranony aza ny ankizy, dia maneho fitiavana sy manampy ny ray aman-dreniny foana. Ataony azo antoka, ohatra, hoe voakarakara tsara ry zareo rehefa antitra, ary omeny vola mihitsy raha mila an’izany.—Matio 15:4-6; 1 Timoty 5:4, 8.

 Mariho fa tsy ny rainy ihany no tokony hohajain’ny ankizy israelita fa ny reniny koa. Rehefa nankatò an’izany ry zareo, dia hita fa nekeny hoe tena ilaina ny renim-pianakaviana. (Ohabolana 6:20; 19:26) Tokony hanao hoatr’izany koa ny ankizy amin’izao.

 Tsy voatery nankatò ray aman-dreny foana anefa ny ankizy israelita. Tsy tokony hanaiky izy raha hahatonga azy tsy hankatò an’Andriamanitra ny zavatra asain’ny ray aman-dreniny na olon-kafa ataony. (Deoteronomia 13:6-8) Hoatr’izany koa ny Kristianina amin’izao. Andriamanitra fa tsy olona no ankatoaviny satria Izy no mpitondra azy ireo.—Asan’ny Apostoly 5:29.

 Nampanantena Andriamanitra tao amin’ilay Lalàna nomeny ny Israelita hoe “ho lava andro iainana” izay manaja ray aman-dreny. ‘Hahita soa’ koa izy any amin’ny tany omen’Andriamanitra azy. (Deoteronomia 5:16) Tsy ho voasazy hoatran’ny ankizy lehibe sasany izy ireo. Tsy niraharaha ny lalàn’Andriamanitra mantsy ireny ankizy ireny, dia nikomy tamin’ny ray aman-dreniny. (Deoteronomia 21:18-21) Tsy niova ny toro lalana niorenan’ireny lalàna ireny. (Efesianina 6:1-3) Mbola hataon’ny Mpamorona ampamoaka isika, na tanora na antitra. Hitana ny teniny izy, ka hataony ela velona izay mankatò azy sy mankatò ray aman-dreny. Afaka manantena mihitsy izy ireo hoe hiaina mandrakizay.—1 Timoty 4:8; 6:18, 19.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Eksodosy 20:12?

 Anisan’ny Didy Folo, na Teny Folo, ilay didy ao amin’ny Eksodosy 20:12, ary mahaliana ny toerana misy azy io ao. (Eksodosy 20:1-17) Mariho fa miresaka an’izay tokony hataon’ny Israelita amin’Andriamanitra ny didy eo alohan’io, ohatra hoe izy irery no tokony hivavahana. Ny didy aorian’izy io indray momba an’izay tokony hataon’ny Israelita amin’ny olon-kafa, anisan’izany ilay hoe tsy tokony hivadika amin’ny vady sy ilay hoe tsy tokony hangalatra. Hoatran’ny hoe tetezana mampifandray an’ireo didy eo alohany sy aorianany àry ilay hoe “hajao ny rainao sy ny reninao.” Sady adidy amin’Andriamanitra mantsy izy io no adidy amin’olona.

Vakio ny Eksodosy toko faha-​20, dia jereo koa ny fanamarihana ambany pejy sy ny fanondroana andininy hafa.