FANAZAVANA ANDININ-TENY
Hebreo 11:1: “Ny Finoana no Fahatokiana ny Amin’ny Zavatra Antenaina”
“Ny finoana dia fiandrasana amin-toky ny zavatra antenaina, ary fanomezana porofo mazava momba ny zavatra tena misy izay tsy hita maso.”—Hebreo 11:1, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.
“Ary ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.”—Hebreo 11:1, Fandikan-teny Protestanta.
Inona no tian’ny Hebreo 11:1 holazaina?
Io andinin-teny io no manome ny famaritana fohy indrindra ny atao hoe finoana. Asehon’izy io koa fa tsy hoe minomino befahatany fotsiny ny olona manam-pinoana.
“Ny finoana dia fiandrasana amin-toky ny zavatra antenaina.” Rehefa jerena ny teny tany am-boalohany nanoratana ny Hebreo 11:1, dia midika hoe matoky, na resy lahatra tanteraka, ilay teny grika nadika hoe “finoana.” Tsy faniriana fotsiny ilay izy, fa “fiandrasana amin-toky.” Ilay teny grika nadika hoe “fiandrasana amin-toky” a dia azo adika koa hoe “taratasy fanamarinam-pananana”, izay manome antoka, na manome toky, an’ilay olona manana azy.
“Ny finoana dia . . . fanomezana porofo mazava momba ny zavatra tena misy izay tsy hita maso.” Miorina amin’ny porofo marim-pototra ny finoana. Tsy azo lavina ilay porofo, ka resy lahatra ilay olona fa tena misy ny zavatra iray na dia mbola tsy hitany aza.
Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Hebreo 11:1
Ny apostoly Paoly no nanoratra ny bokin’ny Hebreo, ary nosoratany ho an’ireo Kristianina nipetraka tany Jerosalema sy ny manodidina izy io. Resahin’i Paoly eo amin’io ampahany amin’ny taratasiny io hoe tena zava-dehibe ny finoana. Nanoratra, ohatra, izy hoe: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, satria izay manatona azy dia tsy maintsy mino fa misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady mafy azy.” (Hebreo 11:6) Rehefa avy nanome famaritana ny atao hoe finoana i Paoly ao amin’ny Hebreo 11:1, dia nitanisa lehilahy sy vehivavy maromaro resahin’ny Baiboly hoe nanam-pinoana. Notantarainy hoe nanao ny sitrapon’Andriamanitra izy ireo mba hampisehoana ny finoany.—Hebreo 11:4-38.
a Avy amin’ny teny grika hoe hypôstasis ilay teny hoe “fiandrasana amin-toky”, ary azo adika ara-bakiteny hoe “ilay zavatra ao ambany, na fototra.”