FANAZAVANA ANDININ-TENY
Jeremia 33:3: “Antsoy Aho dia Hamaly Anao”
“Antsoy aho dia hamaly anao. Vonona aho hilaza aminao zavatra lehibe sy tsy takatry ny saina, izay mbola tsy fantatrao.”—Jeremia 33:3, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.
“Antsoy Aho, dia hovaliako hianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.”—Jeremia 33:3, Fandikan-teny Protestanta.
Inona no tian’ny Jeremia 33:3 holazaina?
Nanasa ny olona hivavaka aminy Andriamanitra rehefa nilaza an’ireo teny ireo. Izay maheno an’izany fanasana izany ka manaiky ary mivavaka amin’Andriamanitra, dia hampahafantariny an’izay hitranga amin’ny hoavy.
“Antsoy aho dia hamaly anao.” Ilay hoe “antsoy aho” dia tsy midika fotsiny hoe miantsoantso ny anaran’Andriamanitra. Ny dikan’ilay izy eo amin’io andininy io kosa dia hoe mivavaka aminy ka mangataka aminy mba hanampy sy hitari-dalana anao.—Salamo 4:1; Jeremia 29:12.
Azo inoana hoe ny firenen’Israely taloha no nasain’Andriamanitra hiantso azy, eo amin’io andinin-teny io. Nivadika taminy mantsy ry zareo, dia notafihin’ny tafika babylonianina. (Jeremia 32:1, 2) Nampirisihin’i Jehovah a hiverina aminy ny Israelita. Ahoana no hanaovan’izy ireo an’izany? Nila niantso azy izy ireo, izany hoe nivavaka taminy.
“Vonona aho hilaza aminao zavatra lehibe sy tsy takatry ny saina, izay mbola tsy fantatrao.” “Tsy takatry ny saina” (na tsy mora azo) ny zavatra ampanantenain’Andriamanitra hoe hampahafantariny, izany hoe tsy hazava amin’ny olombelona mihitsy ilay izy raha tsy mahazo fanampiana izy. Azo adika koa hoe ‘zavatra miafina’ ilay hoe ‘zavatra tsy takatry ny saina.’
Inona ny ‘zavatra miafina’ nolazain’Andriamanitra hoe hampahafantariny? Zavatra hitranga amin’ny hoavy ilay izy. Nampahafantariny, ohatra, fa ho rava i Jerosalema ary tsy hisy hipetraka intsony ao, nefa haorina indray ilay tanàna any aoriana any. (Jeremia 30:1-3; 33:4, 7, 8) Nampanantena koa Andriamanitra hoe tsy ny firenen’Israely iray manontolo akory no ho ringana.—Jeremia 32:36-38.
Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Jeremia 33:3?
Tamin’ny taona 608 T.K. i Jeremia mpaminany no nahazo an’io hafatra io avy amin’i Jehovah, izany hoe nandritra ny taona fahafolo nanjakan’i Zedekia Mpanjaka. Naminany i Jeremia hoe ho rava i Jerosalema ary hoentina ho babo i Zedekia. Tezitra anefa io mpanjaka io rehefa naheno an’ilay hafatra, dia nasainy nogadraina i Jeremia.—Jeremia 32:1-5; 33:1; 37:21.
Tamin’izany fotoana izany Andriamanitra no nilaza an’ireo teny voasoratra ao amin’ny Jeremia 33:3. Mampalahelo fa tsy niraharaha an’izany i Zedekia Mpanjaka sy ny ankamaroan’ny Israelita fa vao mainka aza nikomy. (Jeremia 7:26; 25:4) Tsy niantso an’Andriamanitra ry zareo, izany hoe tsy nivavaka taminy mba hahazo ny tari-dalany. Lasa tsy mpanjaka intsony i Zedekia herintaona taorian’izay, rava i Jerosalema, ary voasambotra ny ankamaroan’izay tafavoaka velona dia nentina ho babo tany Babylona.—Jeremia 39:1-7.
Mampahatsiahy antsika ireo teny ao amin’ny Jeremia 33:3 hoe afaka manampy ny olona mba ‘hahafantatra tsara ny sitrapony’ Andriamanitra sady vonona hampahafantatra ‘zava-dalina’ amin’izy ireo, raha mivavaka aminy izy ireo sady mianatra ny Teniny, izany hoe ny Baiboly. (Kolosianina 1:9; 1 Korintianina 2:10) Anisan’izany zava-dalina izany ny zavatra nampanantenain’Andriamanitra hoe hataony tsy ho ela.—Apokalypsy 21:3, 4.
Jereo ity video fohy mombamomba ny bokin’i Jeremia ity.
a Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?”