FANAZAVANA ANDININ-TENY
Mpitoriteny 3:11: “Nataon’Andriamanitra Tsara Be Daholo ny Zava-drehetra, Sady Tamin’ny Fotoanany Avy”
“Nataon’Andriamanitra tsara be daholo ny zava-drehetra, sady tamin’ny fotoanany avy. Nataony ao am-pon’ny olombelona mihitsy aza ny faniriana hiaina mandrakizay. Tsy ho takatry ny sain’ny olombelona hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany mihitsy anefa izay ataon’ilay tena Andriamanitra.”—Mpitoriteny 3:11, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.
“Ka ny zavatra rehetra samy nataon’Andriamanitra ho tsara amin’ny fotoany avy: ny mandrakizay nataony ao am-pon’izy ireo koa, nefa tsy azon’ny olombelona fantarina ny asa ataon’Andriamanitra hatramin’ny fiandohany ka hatramin’ny fiafaràny.”—Mpitoriteny 3:11, Fandikan-teny Katolika.
Inona no tian’ny Mpitoriteny 3:11 holazaina?
“Nataon’Andriamanitra tsara be daholo ny zava-drehetra, sady tamin’ny fotoanany avy.” Tsy zavatra tsara tarehy fotsiny no tiana horesahina amin’ilay teny hebreo nadika hoe “tsara be” eto. Azo adika hoe “milamina tsara” na “mety tsara” koa ilay izy. (Mpitoriteny 3:11, fanamarihana ambany pejy) Tsy ny zavatra rehetra noforoniny fotsiny àry no tafiditra amin’ny asa tsaran’Andriamanitra, fa izay rehetra ataony mba hanatanterahana ny fikasany koa.—Daniela 2:21; 2 Petera 3:8; Apokalypsy 4:11.
“Nataony ao am-pon’ny olombelona mihitsy aza ny faniriana hiaina mandrakizay.” Noforonin’Andriamanitra hiaina mandrakizay ny olombelona, dia mazava ho azy fa nataony tao am-pon-dry zareo koa izay faniriana izay. (Salamo 37:29) Tsy nankatò an’Andriamanitra anefa i Adama sy Eva, ilay mpivady voalohany, dia lasa maty daholo ry zareo sy ny taranany. (Genesisy 3:17-19; Romanina 5:12) Na izany aza dia nampanantena Andriamanitra fa ‘hanome fahafaham-po ny fanirian’ny zavamananaina rehetra’, anisan’izany ny fanirian’ny olombelona hiaina mandrakizay. (Salamo 145:16) Hazavain’ny Baiboly hoe ahoana no nataon’Andriamanitra mba hahatonga ny olombelona ho afaka hanantena hiaina mandrakizay indray.—Romanina 6:23.
“Tsy ho takatry ny sain’ny olombelona hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany mihitsy anefa izay ataon’ilay tena Andriamanitra.” Tena tsy misy fetrany ny fahendren’Andriamanitra. Milaza mihitsy ny Baiboly hoe “tsy hay fantarina” izany. (Romanina 11:33) Na izany aza dia vonona hampahafantatra ny fikasany amin’izay olona te hampifaly azy Andriamanitra.—Amosa 3:7.
Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Mpitoriteny 3:11?
I Solomona mpanjakan’ny Israely fahiny no nanoratra ny bokin’ny Mpitoriteny. Nalaza hoe nahazo fahendrena avy amin’Andriamanitra i Solomona. Misy torohevitra momba ny zavatra tena sarobidy eo amin’ny fiainana sy izay tsy misy vidiny ao amin’io boky io. (Mpitoriteny 1:2, 3; 2:1, 17; 7:1; 12:1, 13) Noresahin’i Solomona ao amin’ny toko fahatelo ny zavatra sasany miverimberina eo amin’ny fiainana. Misy zavatra maromaro fanaon’ny olombelona notanisainy ao. (Mpitoriteny 3:1-8, 10) Avelan’Andriamanitra hisafidy ny olombelona hoe inona amin’ireo no hataony sy hoe rahoviana izy no hanao an’ilay izy. (Deoteronomia 30:19, 20; Josoa 24:15) Nanazava i Solomona fa rehefa miara-miasa amin’Andriamanitra sy manaja ny ‘fotoana’ notondroiny, izany hoe ny fandaharam-potoanany, ihany ny olombelona vao tena ho afaka hankafy ny vokatry ny asa mafy nataony. “Fanomezana avy amin’Andriamanitra izany”, hoy izy.—Mpitoriteny 3:1, 12, 13.
Jereo ity video fohy ity raha tianao ho hita ny mombamomba ny bokin’ny Mpitoriteny.