Hijery ny anatiny

Inona no Atao hoe Ady Aramagedona?

Inona no Atao hoe Ady Aramagedona?

Valiny ara-baiboly

 Ady farany hataon’Andriamanitra amin’ny fitondram-panjakan’olombelona no atao hoe Aramagedona. Manohitra an’Andriamanitra ireny fanjakana ireny sy ny mpanohana azy, satria tsy mety manaiky azy ho mpitondra. (Salamo 2:2) Ho foana tanteraka ny fitondran’olombelona aorian’ny Aramagedona.​—Daniela 2:44.

 Ao amin’ny Apokalypsy 16:16 ihany no ahitana ny teny hoe “Aramagedona”, ao amin’ny Baiboly. Milaza ny faminaniana ao amin’ny Apokalypsy hoe hangonina ho any “amin’ilay toerana antsoina amin’ny teny hebreo hoe Aramagedona” ny “mpanjakan’ny tany manontolo”, rehefa tonga ny “adin’ny andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.”​—Apokalypsy 16:14.

 Iza no hiady, amin’ny Aramagedona? Hitarika ny tafika any an-danitra i Jesosy Kristy ary ho resin’izy ireo ny fahavalon’Andriamanitra. (Apokalypsy 19:11-16, 19-21) Tsy iza ireo fahavalo ireo fa ny olona manohitra ny fahefan’Andriamanitra sy tsy manaja azy.​—Ezekiela 39:7.

 Hatao any Israely tokoa ve ny ady Aramagedona? Tsia. Tsy ho eo amin’ny toerana iray monja ny ady Aramagedona fa hanerana ny tany.​—Jeremia 25:32-34; Ezekiela 39:17-20.

 “Tendrombohitr’i Megido” no dikan’ny hoe “Hara-magedona” na “Aramagedona.” (Hebreo: Har Megiddôhn). Tanàna iray tany Israely fahiny i Megido. Nisy ady maro manan-tantara teo amin’ny manodidina an’io tanàna io, anisan’izany ny ady sasany voasoratra ao amin’ny Baiboly. (Mpitsara 5:19, 20; 2 Mpanjaka 9:27; 23:29) Tsy toerana eny akaikin’io Megido fahiny io anefa ilay Aramagedona. Tsy misy tendrombohitra lehibe mantsy any sady tsy antonona ny olona rehetra hiady amin’Andriamanitra na dia ny Lemaka Ivan’i Jezirela eo akaikiny eo aza. Ilazana zavatra hitranga maneran-tany kosa ny hoe Aramagedona. Amin’izay no hivondrona farany hanohitra ny fitondran’Andriamanitra ireo firenena.

 Hoatran’ny ahoana ny zavatra hitranga mandritra ny Aramagedona? Tsy fantatsika hoe ahoana no hampiasan’Andriamanitra ny heriny. Afaka mampiasa an’ireto anefa izy, toy ny efa nataony taloha: Havandra, horohoron-tany, oram-be manafotra, afo sy solifara, tselatra, ary aretina. (Joba 38:22, 23; Ezekiela 38:19, 22; Habakoka 3:10, 11; Zakaria 14:12) Hifanjevo ny fahavalon’Andriamanitra amin’izay fotoana izay, ka hifamono ny sasany aminy. Ho tonga saina anefa izy ireo amin’ny farany hoe Andriamanitra no miady aminy.​—Ezekiela 38:21, 23; Zakaria 14:13.

 Ho potika ve izao tontolo izao amin’ny Aramagedona? Tsia, satria fonenan’ny olombelona mandrakizay ny tany. (Salamo 37:29; 96:10; Mpitoriteny 1:4) Hanavotra ny olombelona ny ady Aramagedona fa tsy handripaka azy ireo. Ho tafavoaka velona mantsy ny “vahoaka be” manompo an’Andriamanitra.​—Apokalypsy 7:9, 14; Salamo 37:34.

 Tsy tany fotsiny no dikan’ny hoe “izao tontolo izao” ao amin’ny Baiboly, fa midika koa izy io indraindray hoe ny ratsy fanahy rehetra manohitra an’Andriamanitra. (1 Jaona 2:15-17) Ho amin’ny Aramagedona àry ny “fiafaran’izao tontolo izao”, na ny farany ho an’ny ratsy fanahy.​—Matio 24:3, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara.

 Rahoviana no hitranga ny ady Aramagedona? Hoy i Jesosy, rehefa niresaka momba ny “fahoriana lehibe”, izay hifarana amin’ny ady Aramagedona: “Tsy misy mahalala ny amin’izany andro sy ora izany, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany.” (Matio 24:21, 36) Na izany aza, dia asehon’ny Baiboly fa mandritra ny fanatrehan’i Jesosy no hitranga ny Aramagedona. Efa nanomboka tamin’ny 1914 io fanatrehany io ary tsy hita maso.​—Matio 24:37-39.