Inona no Azoko Angatahina Amin’ny Vavaka?
Valiny ara-baiboly
Azonao angatahina daholo izay rehetra tsy mifanohitra amin’ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly. Hoy mantsy ny 1 Jaona 5:14: “Na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.” Misy zavatra manahiran-tsaina anao ve? Hoy ny Baiboly: ‘Aoka ianao hamboraka amin’Andriamanitra ny ao am-ponao.’—Salamo 62:8.
Ireto, ohatra, no azonao angatahina:
Finoana an’Andriamanitra.—Lioka 17:5.
Fanahy masina, na herin’Andriamanitra, hanampy anao hanao ny tsara.—Lioka 11:13.
Hery hiatrehana olana sy hanoherana fakam-panahy.—Filipianina 4:13.
Fiadanan-tsaina.—Filipianina 4:6, 7.
Fahendrena hanampy anao hahay hanapa-kevitra.—Jakoba 1:5.
Zavatra ilainao andavanandro.—Matio 6:11.
Famelan-keloka.—Matio 6:12.