Hijery ny anatiny

Inona no Atao hoe Batisa?

Inona no Atao hoe Batisa?

Valiny ara-baiboly

 Fandrobohana tanteraka ao anaty rano no atao hoe batisa. a Be dia be ny olona natao batisa tantaraina ao amin’ny Baiboly. (Asan’ny Apostoly 2:41) Resahina ao, ohatra, hoe naroboka tanteraka tao amin’ny Reniranon’i Jordana i Jesosy tamin’izy natao batisa. (Matio 3:13, 16) Tantaraina ao koa fa “tao anaty rano”, teo akaikin’ny lalana nandehanany, ny lehilahy etiopianina iray no natao batisa, taona maromaro tatỳ aoriana.​—Asan’ny Apostoly 8:36-40.

 Nilaza i Jesosy fa tsy maintsy atao batisa izay olona te ho lasa mpanara-dia azy. (Matio 28:19, 20) Mbola nanamafy an’izany koa i Petera tatỳ aoriana.​—1 Petera 3:21.

Ho hitantsika ato ireto:

 Inona no dikan’ny batisa?

 Atao batisa ny olona iray mba hampisehoany amin’ny olona hoe efa nibebaka tamin’ny fahotany izy sady efa nampanantena an’Andriamanitra hoe hanao ny sitrapony na inon-kidona na inon-kihatra. Tafiditra amin’izany ny hoe hankatò an’Andriamanitra sy Jesosy amin’izay rehetra ataony. Lasa manana fomba fiaina ankasitrahan’Andriamanitra ny olona vita batisa. Izany mantsy no takin’Andriamanitra amin’izay olona te hahazo fiainana mandrakizay.

 Tena mety tsara raha aroboka tanteraka ao anaty rano ny olona iray mba hampisehoana hoe niova izy. Nahoana? Resahin’ny Baiboly fa hoatran’ny hoe alevina ny olona iray rehefa atao batisa. (Romanina 6:4; Kolosianina 2:12) Rehefa milentika tanteraka ao anaty rano izy dia hoatran’ny hoe maty satria nialany ny fomba fiainany taloha. Rehefa mivoaka avy ao anaty rano indray izy dia hoatran’ny hoe manomboka fiainam-baovao, satria efa nanokan-tena ho an’Andriamanitra.

 Inona no lazain’ny Baiboly momba ny fanaovana batisa zazakely?

 Tsy mampianatra ny Baiboly hoe tokony hatao batisa ny zazakely. Tsy mifanaraka amin’izay lazaina ao koa ny fanaovana batisa zazakely. Milaza ny Baiboly fa misy zavatra sasany tsy maintsy ataon’ny olona iray raha te hatao batisa izy. Tokony ho azony tsara, ohatra, farafahakeliny ny fampianarana fototra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia tokony hiaina mifanaraka amin’ireny fampianarana ireny izy. Tokony ho efa nibebaka tamin’ny fahotany koa izy, ary tokony ho efa nanokan-tena ho an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny vavaka. (Romanina 6:4; Kolosianina 2:12) Tsy afaka manao an’izany rehetra izany mihitsy ny zazakely.

Inona no dikan’ny hoe atao batisa amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina?

  Naniraka ny mpianany ‘hampianatra ny olona mba ho lasa mpanara-dia azy’ i Jesosy, dia avy eo ‘hanao batisa azy ireo amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina.’ (Matio 28:19, 20) Ilay hoe “amin’ny anaran’ny” dia midika hoe eken’ilay olona atao batisa ny fahefan’ny Ray sy ny Zanaka sy ny toeran’izy ireo, ary ekeny koa ny asan’ny fanahy masin’Andriamanitra. Inty misy ohatra azo anazavana an’ilay hevitra. Niteny tamin’ny lehilahy iray nalemy hatrany an-kibon-dreniny i Petera, indray mandeha, hoe: “Amin’ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mandehana!” (Asan’ny Apostoly 3:6) Mazava ho azy fa matoa i Petera niteny an’izany dia nekeny ny fahefan’i Kristy. Nasehony koa hoe i Kristy no nanasitrana an’ilay lehilahy tamin’ny fomba mahagaga.

  •   I Jehovah b Andriamanitra ilay hoe “Ray.” I Jehovah no Mpamorona sy Mpanome Aina ary Andriamanitra Mahery Indrindra. Noho izany, dia izy no manana ny fahefana fara tampony.​—Genesisy 17:1; Apokalypsy 4:11.

  •   I Jesosy Kristy ilay hoe “Zanaka.” Nanome ny ainy ho antsika izy. (Romanina 6:23) Tsy ho voavonjy mihitsy isika raha tsy azontsika tsara sady ekentsika hoe manana anjara asa lehibe izy amin’ny fikasan’Andriamanitra momba ny olombelona.​—Jaona 14:6; 20:31; Asan’ny Apostoly 4:8-12.

  •   Hery ampiasain’Andriamanitra ny “fanahy masina.” c Nampiasain’Andriamanitra ny fanahy masina mba hamoronana sy hanomezana aina ny zavaboary. Nampiasainy koa izy io mba hampitana hafatra tamin’ny mpaminaniny sy ny olon-kafa, sy hanomezana hery azy ireo hanao ny sitrapony. (Genesisy 1:2; Joba 33:4; Romanina 15:18, 19) Nampiasa ny fanahy masina koa Andriamanitra mba hahatonga ny mpanoratra Baiboly hanoratra ny heviny fa tsy ny hevitr’izy ireo manokana.​—2 Petera 1:21.

Fahotana ve ny hoe atao batisa fanindroany?

  Be dia be ny olona miova fivavahana. Ahoana anefa raha efa vita batisa izy tany amin’ny fiangonany taloha? Manota ve izy raha averina atao batisa? Misy miteny hoe manota izy satria milaza, hono, ny Efesianina 4:5 hoe: “Iray ny Tompo, iray ny finoana, ary iray ny batisa.” Tsy midika anefa io andinin-teny io hoe tsy azo atao batisa fanindroany ny olona iray. Nahoana isika no milaza an’izany?

 Teny manodidina. Asehon’ny teny manodidina ny Efesianina 4:5 fa nanamafy i Paoly hoe tokony hampiray saina ny tena Kristianina ny zavatra inoany. (Efesianina 4:1-3, 16) Tsy hiray saina mihitsy ry zareo raha tsy hoe iray ihany ny Tompo arahiny, izany hoe i Jesosy Kristy, mitovy ny finoany, izany hoe ny fomba fahazoany an’izay ampianarin’ny Baiboly, ary mitovy koa ny fepetra ara-baiboly arahiny momba ny batisa.

 Nampirisika ny olona sasany efa vita batisa koa i Paoly mba hatao batisa indray. Tsy mbola azon’izy ireo tsara mantsy ny fampianaran’i Kristy, tamin-dry zareo natao batisa voalohany.​—Asan’ny Apostoly 19:1-5.

 Fepetra ho amin’ny batisa. Tokony hahalala tsara ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ny olona iray, raha tiany hankasitrahan’Andriamanitra ny batisany. (1 Timoty 2:3, 4) Raha miorina amin’ny fampianarana tsy mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly ny batisan’ny olona iray, dia tsy eken’Andriamanitra ilay izy. (Jaona 4:23, 24) Na dia nieritreritra aza ilay olona hoe nety ny nataony, dia ‘tsy tena nahalala tsara’ izy. (Romanina 10:2) Raha te hankasitrahan’Andriamanitra izy, dia tokony hianatra Baiboly, hampihatra an’izay ianarany, hanokan-tena ho an’Andriamanitra, ary hatao batisa indray. Tsy ho fahotana ny batisany fanindroany amin’izay. Izay mihitsy aza no tokony hatao, raha ny marina.

Batisa hafa resahin’ny Baiboly

  Misy batisa hafa resahin’ny Baiboly. Hafa mihitsy ny dikan’ireny batisa ireny, fa tsy mitovy amin’ilay fandrobohana tanteraka ao anaty rano ataon’ny mpianatr’i Kristy. Ireto misy ohatra.

 Batisa nataon’i Jaona Mpanao Batisa. d Ny Jiosy sy ny olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy no nataon’i Jaona batisa. Nasehon’ilay batisa hoe nibebaka tamin’ny fahotana rehetra nataony tsy nifanaraka tamin’ny Lalàn’i Mosesy ireny olona ireo, izany hoe tamin’ny lalàna nomen’Andriamanitra ny Israelita tamin’ny alalan’i Mosesy. Nanampy ny olona ho vonona hamantatra sy hanaiky ny Mesia, izany hoe i Jesosy avy any Nazareta, ny batisa nataon’i Jaona.​—Lioka 1:13-17; 3:2, 3; Asan’ny Apostoly 19:4.

 Batisan’i Jesosy. Hafa mihitsy ilay batisan’i Jesosy nataon’i Jaona. Lavorary mantsy i Jesosy sady tsy nanota mihitsy. (1 Petera 2:21, 22) Tsy mariky ny fibebahana àry ny batisany sady tsy ‘fangatahana feon’ny fieritreretana madio tamin’Andriamanitra.’ (1 Petera 3:21) Nasehon’ny batisany kosa hoe nanokana ny tenany ho Mesia na Kristy izy, dia hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Tafiditra amin’izany ny nanomezany ny ainy ho antsika.​—Hebreo 10:7-10.

 Batisa amin’ny fanahy masina. Samy niresaka momba ny batisa amin’ny fanahy masina na i Jesosy na i Jaona Mpanao Batisa. (Matio 3:11; Lioka 3:16; Asan’ny Apostoly 1:1-5) Tsy mitovy amin’ny batisa amin’ny anaran’ny fanahy masina izy io. (Matio 28:19) Nahoana?

 Mpanara-dia an’i Jesosy vitsivitsy ihany no atao batisa amin’ny fanahy masina. Voahosotra tamin’ny fanahy masina ireo olona ireo satria voantso hiaraka amin’i Kristy any an-danitra mba ho mpanjaka sy mpisorona hitondra ny tany. e (1 Petera 1:3, 4; Apokalypsy 5:9, 10) Iza no hofehezin’izy ireo rehefa ho lasa mpitondra izy? Ny mpanara-dia an’i Jesosy an-tapitrisany manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany.​—Matio 5:5; Lioka 23:43.

 Batisa ao amin’i Kristy Jesosy sy ao amin’ny fahafatesany. ‘Atao batisa ao amin’i Kristy Jesosy’ koa ny olona sasany natao batisa tamin’ny fanahy masina. (Romanina 6:3) Ny mpianatr’i Jesosy voahosotra ihany àry no atao an’io batisa io, izany hoe ny mpianany hiara-hanjaka aminy any an-danitra. Lasa anisan’ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra ry zareo rehefa atao batisa ao amin’i Jesosy. Izy no Lohany, dia ry zareo no vatana.​—1 Korintianina 12:12, 13, 27; Kolosianina 1:18.

 ‘Atao batisa ao amin’ny fahafatesan’i Jesosy’ koa ny Kristianina voahosotra. (Romanina 6:3, 4) Manahaka an’i Jesosy ry zareo dia mampiasa ny fiainany mba hankatoavana an’Andriamanitra fa tsy hampifaliana ny tenany. Fantatry ry zareo fa tsy hiaina mandrakizay eto an-tany izy, hoatran’i Jesosy ihany. Vita batisa ao amin’ny fahafatesan’i Jesosy ireo Kristianina ireo rehefa maty sy atsangana mba ho zavaboary ara-panahy any an-danitra.​—Romanina 6:5; 1 Korintianina 15:42-44.

 Batisa amin’ny afo. Nilaza i Jaona Mpanao Batisa hoe: “Izy [Jesosy] no hanao batisa anareo amin’ny fanahy masina sy amin’ny afo. Efa eny an-tanany ny fitaovana fikororohana, ka hodioviny tanteraka ny famoloany. Dia hangoniny ao an-trano fitehirizana ny vary, fa ny akofa sy ny mololo kosa hodorany amin’ny afo tsy mety maty.” (Matio 3:11, 12) Mariho fa tsy mitovy ny batisa amin’ny afo sy ny batisa amin’ny fanahy masina. Inona no tian’i Jaona holazaina, tamin’ilay fanoharana nataony?

 Izay mihaino an’i Jesosy sy mankatò azy no asehon’ny vary. Azo atao batisa amin’ny fanahy masina ireo olona ireo. Izay tsy mihaino an’i Jesosy kosa no asehon’ny akofa sy ny mololo. Atao batisa amin’ny afo ireny olona ireny amin’ny farany, izany hoe horinganina mandrakizay.​—Matio 3:7-12; Lioka 3:16, 17.

a Resahin’ny Vine’s Complete Expository Dictionary of Old and New Testament Words fa ilay teny grika nadika hoe “batisa” dia midika hoe “miditra ao anaty rano, milentika tanteraka ao anatin’ilay rano, dia avy eo mivoaka avy ao anaty rano.”

b Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?

c Jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona moa ny Fanahy Masina?

d Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jaona Mpanao Batisa?

e Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza no Mankany An-danitra?

f Mampiasa an’ilay teny hoe “batisa” koa ny Baiboly mba hilazana ny fombafomba fisasana sasany. (Hebreo 9:10, fanamarihana ambany pejy) Mazava ho azy fa tsy mitovy amin’ny batisan’i Jesosy sy ny mpanara-dia azy izany.