Inona Ilay Ota Tany Am-boalohany?
Valiny ara-baiboly
I Adama sy Eva no olombelona nanota voalohany. Tsy nankatò an’Andriamanitra izy ireo rehefa nihinana ny voan’ilay “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy”, ary izay ilay antsoin’ny ankamaroan’ny olona hoe ota tany am-boalohany. a (Genesisy 2:16, 17; 3:6; Romanina 5:19) Tsy nahazo nihinana tamin’ilay hazo i Adama sy Eva. Izy io mantsy no nampiseho hoe Andriamanitra ihany no manan-jo, na fahefana, hamaritra ny atao hoe tsara sy ratsy ho an’ny olombelona. Nanao zavatra tsy nananany zo àry i Adama sy Eva rehefa nihinana tamin’ilay hazo. Nifidy ny hanapa-kevitra samirery momba ny atao hoe tsara sy ratsy izy ireo. Nanda ny fahefan’Andriamanitra izy ireo rehefa nanao an’izany.
Inona ny vokatr’ilay “ota tany am-boalohany” teo amin’i Adama sy Eva?
Lasa antitra sy maty i Adama sy Eva satria nanota. Simba koa ny fifandraisan’izy ireo tamin’Andriamanitra, ary tsy afaka ny hiaina mandrakizay sy ho salama tsara izy ireo.—Genesisy 3:19.
Inona ny vokatr’ilay “ota tany am-boalohany” eo amintsika?
Nafindran’i Adama sy Eva tamin’ny taranany rehetra ny vokatry ny ota, hoatran’ny ray aman-dreny mamindra aretina manaranaka amin’ny zanany. (Romanina 5:12) “Efa mpanota” b àry ny olombelona rehetra raha vao teraka, izany hoe tsy lavorary sady mora manao fahadisoana.—Salamo 51:5; Efesianina 2:3.
Lasa marary sy antitra ary maty isika satria nandova ota, na tsy fahalavorariana. (Romanina 6:23) Mizaka ny vokatry ny fahadisoantsika sy ny an’ny hafa koa isika.—Mpitoriteny 8:9; Jakoba 3:2.
Mety ho afaka amin’ny voka-dratsin’ilay “ota tany am-boalohany” ve isika?
Eny. Milaza ny Baiboly fa maty i Jesosy mba “ho sorona fampihavanana noho ny fahotantsika.” (1 Jaona 4:10) Hanafaka antsika amin’ny voka-dratsin’ny ota ny soron’i Jesosy. Ho afaka hiaina mandrakizay sy ho salama tsara koa isika, na dia efa nafoin’i Adama sy Eva aza izany.—Jaona 3:16. c
Hevi-diso momba an’ilay “ota tany am-boalohany”
Hevi-diso: Tsy ho afaka hifandray tsara amin’Andriamanitra mihitsy isika noho ilay ota tany am-boalohany.
Ny marina: Tsy manome tsiny antsika noho ny zavatra nataon’i Adama sy Eva Andriamanitra. Fantany hoe tsy lavorary isika, dia tsy mitaky mihoatra noho izay mety ho vitantsika izy. (Salamo 103:14) Na dia mizaka ny voka-dratsin’ny ota aza isika, dia manana tombontsoa hifandray akaiky amin’Andriamanitra.—Ohabolana 3:32.
Hevi-diso: Ny batisa no manafaka ny olona amin’ilay ota tany am-boalohany, ka mila atao batisa ny zazakely.
Ny marina: Dingana lehibe ny batisa raha te ho voavonjy. Izay mino ny soron’i Jesosy ihany anefa no ho afaka amin’ny ota. (1 Petera 3:21; 1 Jaona 1:7) Avy amin’ny fahalalana ny tena finoana, ka tsy ho afaka hanana an’izany ny zazakely. Tsy mifanaraka amin’ny Baiboly àry ny fanaovana batisa zazakely. Manaporofo an’izany ny zava-nitranga tamin’ireo Kristianina voalohany. Tsy zazakely no nataon’izy ireo batisa fa izay lehilahy sy vehivavy nino ny Tenin’Andriamanitra.—Asan’ny Apostoly 2:41; 8:12.
Hevi-diso: Nozonin’Andriamanitra ny vehivavy satria i Eva no nihinana voalohany tamin’ilay voankazo voarara.
Ny marina: Tsy ny vehivavy no nozonin’Andriamanitra fa “ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana.” Izy io mantsy no nitarika an’i Eva hanota. (Apokalypsy 12:9; Genesisy 3:14) I Adama koa no nolazain’Andriamanitra hoe tompon’antoka tamin’ilay ota tany am-boalohany, fa tsy ny vadiny.—Romanina 5:12.
Nahoana Andriamanitra no nilaza hoe hanjaka amin’ny vadiny i Adama? (Genesisy 3:16) Tsy midika akory izany hoe tsy mampaninona an’Andriamanitra ny lehilahy raha manjakazaka amin’ny vadiny. Nilaza mialoha ny ho voka-dratsin’ny ota fotsiny izy. Tian’Andriamanitra hanome voninahitra sy ho tia ny vadiny ny lehilahy, sady hanaja lalina an’ireo vehivavy.—Efesianina 5:25; 1 Petera 3:7.
Hevi-diso: Firaisana ilay ota tany am-boalohany.
Ny marina: Azo antoka fa tsy firaisana ilay ota tany am-boalohany, rehefa jerena ireto antony ireto:
Mbola tsy nanambady i Adama no nomen’Andriamanitra an’ilay didy hoe tsy tokony hihinana amin’ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.—Genesisy 2:17, 18.
Nandidy an’i Adama sy Eva Andriamanitra hoe: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha.” (Genesisy 1:28) Ratsy fanahy be Andriamanitra raha hoe nosaziny ilay mpivady voalohany satria nanaraka an’io didiny io.
Tsy niara-nanota i Adama sy Eva. I Eva no voalohany, dia avy eo ny vadiny.—Genesisy 3:6.
Manome alalana ny mpivady hanao firaisana ny Baiboly.—Ohabolana 5:18, 19; 1 Korintianina 7:3.
a Tsy hita ao amin’ny Baiboly ilay teny hoe “ota tany am-boalohany.” Ny ota voalohany resahin’ny Baiboly dia ilay fitaka sy lainga nolazain’i Satana tamin’i Eva.—Genesisy 3:4, 5; Jaona 8:44.
b Tsy ny zava-dratsy ataon’ny olona fotsiny no atao hoe “ota”, ao amin’ny Baiboly. Antsoina hoe “mpanota” koa isika satria nandova vatana tsy lavorary.
c Raha te hahalala bebe kokoa momba ny soron’i Jesosy sy ny soa raisintsika avy amin’izy io ianao, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Nahoana no Lazaina fa Mpamonjy i Jesosy?”