HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA
Ny Ankizy sy ny Tambazotran-tserasera: Fizarana 2: Ampianaro ny Zanakao mba ho Voaro Rehefa Mampiasa Tambazotran-tserasera
Be dia be ny ray aman-dreny tsy mamela ny zanany hampiasa tambazotran-tserasera, satria betsaka ny zavatra mety hahavoa an’ilay zanany ao. Raha avelanao hampiasa tambazotran-tserasera anefa ny zanakao, dia ahoana no hanampianao azy mba ho voaro amin’ny zava-dratsy ao sady hitandrina tsara rehefa mampiasa an’ilay izy?
Ho hitantsika ato hoe:
Inona no zava-dehibe amin’ny zanakao?
Tsara ho fantatrao: Manandevo be ny mampiasa tambazotran-tserasera. Mety hoe mila hampianao àry ny zanakao mba tsy ho lany fotoana be amin’ilay izy.
Toro lalan’ny Baiboly: ‘Fantaro izay zava-dehibe kokoa.’—Filipianina 1:10.
Eritrereto izao: Lasa tsy ampy torimaso ve ny zanakao satria lany fotoana manao an’ilay izy? Vita ve ny devoarany? Mba miaraka aminareo ao an-trano ve izy? Milaza ny mpikaroka fa tokony hatory adiny sivy ny tanora latsaky ny 20 taona. Mety ho adiny fito latsaka fotsiny anefa no matory ny tanora mandany fotoana be amin’ny tambazotran-tserasera isan’andro.
Inona no azonao atao? Mifampiresaha amin’ny zanakao hoe inona no zava-dehibe eo amin’ny fiainana. Resaho hoe fa maninona no mila ferana ny fotoana ampiasana tambazotran-tserasera. Mametraha fitsipika nefa aza atao tafahoatra ilay izy. Teneno, ohatra, izy hoe tsy mahazo mampiasa telefaonina intsony rehefa handeha hatory amin’ny alina. Ny tanjonao mantsy dia mba hahay hifehy tena izy, ary tena ilainy izany toetra izany rehefa lehibe izy.—1 Korintianina 9:25.
Hanao ahoana ny fihetseham-pony rehefa mahita ny zavatra ao?
Tsara ho fantatrao: Mety halahelo na hitebiteby na ho lasa kivy be ny zanakao rehefa mahita ny zavatra nampidirin’ny namany ao. Selfie efa namboamboarina be sy izay zavatra tsara nataony ihany anefa no ampidirin’ireny namany ireny ao.
Toro lalan’ny Baiboly: “Esory ... ny fialonana.”—1 Petera 2:1.
Eritrereto Izao: Lasa mampitaha ny paoziny na ny bikany amin’ny an’ny namany ve ny zanakao dia mahatsapa tena hoe ratsy? Lasa mahatsapa ve izy hoe mahafinaritra be ny fiainan’ny ankizy hafa, fa ny azy irery no tsy mba hoatr’izany?
Inona no azonao atao? Resaho amin’ny zanakao hoe inona no maharatsy ny mampitaha tena amin’ny hafa. Tokony ho fantatrao fa ny ankizivavy no tena mahatsapa hoatr’izany raha oharina amin’ny ankizilahy. Zava-dehibe kokoa amin’ny ankizivavy tsinona ny paoziny sy ny bikany ary fifandraisany amin’ny namany. Afaka manome soso-kevitra mihitsy aza ianao hoe aleo mijanona tsy mampiasa tambazotran-tserasera ny zanakao tsindraindray. Hoy ny ankizilahy iray atao hoe Jacob: “Nisy fotoana nesoriko tao amin’ny telefaoniko ny programa fanaovako tambazotran-tserasera. Dia mba tonga saina aho hoe inona no tena zava-dehibe eo amin’ny fiainana, dia ahoana no tokony hiheverako ny tenako sy ny olon-kafa.”
Inona no hataony ao?
Tsara ho fantatrao: Hoatran’ireny miara-miaina amin’ny vahoaka be dia be ireny ianao rehefa ao amin’ny tambazotran-tserasera. Misy tsy mifankahazo hevitra sy mifamaly foana ao.
Toro lalan’ny Baiboly: “Esory aminareo daholo rehefa mety ho lolompo, fahatezerana, fisafoahana, filelalelana, ary fanevatevana ... Miezaha ... ho tsara fanahy amin’ny namanareo avy.”—Efesianina 4:31, 32.
Eritrereto izao: Lasa mifosa olona sy mifamaly na masiaka ve ny zanakao rehefa nanao tambazotran-tserasera?
Inona no azonao atao? Ampianaro hahalala fomba foana ny zanakao rehefa miresaka amin’ny olona ao amin’ny Internet. Hoy ilay boky hoe Ny Ankizy sy ny Fitaovana Elektronika: “Adidintsika ray aman-dreny ny mampianatra tsara ny zanatsika hoe tsy azo ekena eo amin’ny fiaraha-monina mihitsy ny masiaka sy manao ratsy toetra amin’olona, na mivantana izany na ao amin’ny Internet.”
Tadidio fa tsy zavatra tena ilaina ny manao tambazotran-tserasera. Tsy ny ray aman-dreny rehetra koa no mamela ny zanany hanao an’ireny. Raha avelanao hanao tambazotran-tserasera ny zanakao, dia ataovy azo antoka hoe efa matotra tsara izy ka mahay mametra ny fotoana laniny eo. Jereo koa raha mahay mifandray tsara amin’ny namany izy, ary mahavita tsy mijery zavatra ratsy ao.