HO AN’NY FIANAKAVIANA | TOKANTRANO
Hisaraka ve Izahay na dia Efa Samy Be Taona Aza?
Nitombo avo roa heny ny isan’ny olona 50 taona na mihoatra nisara-panambadiana, tany Etazonia, teo anelanelan’ny 1990 sy 2015. Ny isan’ny olona 65 taona mahery nisaraka indray nitombo avo telo heny. Fa inona no mahatonga ny mpivady efa zokiolona misara-panambadiana? Raha be taona ianao, inona no azonao atao mba tsy hitranga aminareo mivady izany?
Ho hitantsika ato hoe:
Inona no mahatonga ny mpivady be taona misara-panambadiana?
Matetika ny mpivady hoatr’izany no mifanalavitra tsikelikely, dia lasa tsy dia mifandray am-po intsony rehefa mandeha ny fotoana. Mety hoe tsy mitovy intsony ny zavatra mahaliana azy roa, dia hoatran’ny hoe tsy dia misy zavatra azon’izy roa iarahana manao intsony fa lasa samy maka ho azy ry zareo. Mety hoe efa nikopaka elatra koa ny zanany, dia eo vao tonga saina izy mivady hoe hay ry zareo variana loatra nitaiza sy nanabe, dia lasa nanao an-tsirambina ny fifandraisan’izy roa tamin’ireny fotoana ireny.
Tato ho ato koa misy olona milaza ho manam-pahaizana momba ny fanambadiana mampirisika ny mpivady hoe mba tokony samy hifantoka amin’izay hahasoa ny tenany avy izy roa. Asain-dry zareo samy mandinika ny andaniny sy ny ankilany hoe: ‘Tena sambatra ve aho ao an-tokantranoko?’ ‘Lasa tsara toetra kokoa ve aho rehefa nanambady?’ ‘Tena ataon’ny vadiko ve izay hahatsapako hoe tiany aho sady sarobidy aminy?’ Dia raha tsy mahatsapa an’ireo ny iray amin’izy mivady, dia misy mampirisika hoe: ‘Izay tena mahasoa anao tadiavina. Maninona raha misaraka, dia manao fiainana vaovao mihitsy?’
Tsy eritreretin’ny olona hoe ratsy intsony izao izany hoe misara-panambadiana izany. Izao no nosoratan’i Eric Klinenberg, manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina: “Izao no zava-nisy, mbola vao tsy ela akory izay: Na dia efa tena te hisara-panambadiana aza ianao satria efa mankaleo anao ny vadinao, dia tsy maintsy manazava be ianao dia manome antony marim-pototra tsara hisarahana. Fa amin’izao ny mifanohitra amin’izany no mitranga. Rehefa misy olona tsy sambatra ao an-tokantranony, dia anontanintaniana be izy hoe fa maninona no mbola mijanona ao ihany fa tsy misaraka. Ny toe-tsain’ny ankamaroan’ny olona amin’izao mantsy hoe izay tena hahasoa anao no tokony hotadiavinao.” a
Marina aloha hoe mety hilamina ny olana sasany mahazo anao raha misaraka ianao. Matetika anefa no misy olana vaovao mipoitra indray. Hita tamin’ny fanadihadiana, ohatra, fa “matetika no lasa sahirana ara-bola be ny be taona misara-panambadiana, indrindra ny vehivavy.”
Misy zavatra hafa mila ataonao ao an-tsaina koa. Hoy ilay boky hoe Don’t Divorce: “Tadidio fa na hanao fiainana vaovao aza ianao, dia mbola ianao ihany io fa tsy hoe niova ianao. Raha nisy tsy nety ny fomba nifampiresahanao tamin’ny vadinao, efa nisy zavatra nataonao ve mba hanovana an’izany? Ary raha tsy nety ny nataonao rehefa mifamaly ianareo, dia efa niezaka niova ve ianao?” b
Inona no azonao atao?
Ekeo hoe mety hiova ny fifandraisanareo. Tsy misy mihitsy ny hoe olona roa mpinamana na hoe mifankatia ka hoe ho hoatran’ilay tamin’ny voalohany iny foana ny fifandraisan-dry zareo. Azo inoana hoe niova ny fifandraisanareo mivady rehefa tsy niara-nipetraka taminareo intsony ny zanakareo. Mety hoe niova koa ilay izy izao satria lasa tsy mitovy ny zavatra mahaliana anareo. Aza manembonembona ny taloha fotsiny anefa fa diniho hoe inona no vahaolana.
Torolalan’ny Baiboly: “Aza miteny hoe: ‘Fa maninona re no tsara noho ny amin’izao ny taloha e?’ Tsy fahendrena ho anao mantsy ny manontany an’izany.”—Mpitoriteny 7:10.
Ataovy izay hampifankatia anareo foana. Maninona raha ezahina tiavina ny zavatra iray mahaliana ny vadinao? Na maninona raha asaina izy hanao zavatra iray mahaliana anao? Maninona raha mijery zava-baovao azonareo roa iarahana manao, dia manokana fotoana hiarahana manao an’ilay izy? Izay hahatonga anareo ho tafaraka manao zavatra no tokony ho tanjonareo, amin’izay ianareo roa tsy lasa hoatran’ny hoe mpiray trano fotsiny sisa, fa mbola mpivady foana.
Torolalan’ny Baiboly: “Aoka ny tsirairay hitady foana an’izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany.”—1 Korintianina 10:24.
Miezaha foana ho tsara fanahy sy hahalala fomba. Matetika no hadino na dia ny fahalalam-pomba faran’izay tsotra aza, rehefa ela ny ela. Tsy tokony hohadinoina mihitsy anefa izany. Hajao ny vadinao rehefa miresaka aminy ianao. Miezaha hahalala fomba sy ho tsara fanahy aminy hoatran’ilay taminareo vao niaraka. Aza hadino ny miteny hoe “azafady” sy hoe “misaotra.” Anehoy fitiavana foana izy, dia isaory amin’ny zavatra ataony ho anao.
Torolalan’ny Baiboly: “Miezaha ... ho tsara fanahy amin’ny namanareo avy, ka hangoraka.”—Efesianina 4:32.
Tadidio ny fotoana mamy niarahanareo. Miaraha mijery ny sary mariazinareo na sary tamin’ny fotoan-dehibe hafa nalehanareo. Hanampy anareo hifankatia sy hifanaja indray izany na hanampy anareo hifankatia sy hifanaja foana.
Torolalan’ny Baiboly: “Tsy maintsy tia ny vadiny tahaka ny tenany ny lehilahy tsirairay, fa ny vehivavy indray tokony hanaja lalina ny vadiny.”—Efesianina 5:33.
a Avy ao amin’ilay boky hoe Going Solo—The Extraordinary Rise and Surprising Appeal of Living Alone.
b Raha ny Baiboly no jerena, dia tsy mahazo misara-panambadiana ny mpivady raha tsy hoe nijangajanga angaha ny iray tamin’izy roa. (Matio 19:5, 6, 9) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Mamela ny Olona Hisara-panambadiana ve ny Baiboly?”