Hijery ny anatiny

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FANAMBADIANA

Tokony Hanao Tokantranomaso ve Izahay vao Hivady?

Tokony Hanao Tokantranomaso ve Izahay vao Hivady?

 Be dia be amin’izao ny lehilahy sy vehivavy manao tokantranomaso vao mivady. Tiany ho hita mantsy, hono, raha mifanentana ry zareo, ary amin’izay koa, hono, ho sambatra kokoa ny tokantranony rahatrizay. Fahendrena ve anefa ny manao tokantranomaso?

Ho hitantsika ato hoe:

 Inona no lazain’ny Baiboly?

  •   Raran’ny Baiboly ny firaisan’ny olona tsy mpivady. Izao, ohatra, no voalaza ao: ‘Fadio ny fijangajangana.’ (1 Tesalonianina 4:3; 1 Korintianina 6:18) Anisan’ny fijangajangana ny firaisan’ny lehilahy sy vehivavy manao tokantranomaso, na dia mikasa ny hivady aza izy ireo any aoriana. a Mety ho bevohoka ilay vehivavy nefa mbola tsy mpivady akory izy ireo. Mety hisy vokany ratsy hafa koa ny manao tokantranomaso. Ho afaka ny hisoroka an’izany ny olon-droa manaraka ny fitsipiky ny Baiboly.

  •   Andriamanitra no namorona ny fanambadiana. Hoy izy tamin’izay: “Handao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa.” (Genesisy 2:24) Rehefa lasa mpivady ny olon-droa sady samy tapa-kevitra ny tsy hisaraka mihitsy, dia azo inoana kokoa hoe ho mafy orina sady hanjakan’ny fitiavana ny tokantranony.

 Hanampy anareo ho vonona ho amin’ny fanambadiana ve ny manao tokantranomaso?

 Misy mieritreritra hoe marina izany. Lasa mifankahalala bebe kokoa mantsy, hono, ry zareo rehefa miara-manao raharaha ao an-trano sy rehefa mahita ny fahazaran’ny iray ny iray. Tena ilaina, hono, izany. Mbola zava-dehibe kokoa anefa ny hoe mila tapa-kevitra ny tsy hisaraka izy ireo. Amin’izay izy ireo vao ho afaka ny hanana tokantrano sambatra.

 Inona no hanampy ny olon-droa hiaraka foana na amin’ny mora na amin’ny sarotra? Tsy hanampy azy ireo ny manao tokantranomaso mba hoe “hanandrana aloha”, sady mieritreritra ihany hoe ho afaka ny hiala na rahoviana na rahoviana. Ho sambatra kosa ny tokantranon’izy roa raha samy tapa-kevitra izy ireo ny tsy hisaraka mihitsy ary miara-miezaka mamaha olana.

 Tadidio àry izao: Tsy miomana ho amin’ny fanambadiana, raha ny marina, izay olon-droa mifidy ny hanao tokantranomaso, fa mety ho vao mainka mora misaraka aza.

 Torolalan’ny Baiboly: “Izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.”​—Galatianina 6:7.

 Hanampy anareo hitsitsy vola ve izany?

 Misy mieritreritra hoe marina izany. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Foibem-pikarohan’i Pew any Etazonia, dia efa ho ny antsasany amin’ny olon-dehibe no nanomboka nanao tokantranomaso satria hoe te hitsitsy vola. Rehefa avy niara-nipetraka elaela anefa ry zareo, dia maromaro tamin’ireo nohadihadina no nilaza fa mbola antony lehibe nahatonga an-dry zareo tsy ho vonona ny hivady ihany ny olana ara-bola.

 Misy vokany hafa koa ilay hoe manao tokantranomaso, indrindra ho an’ny vehivavy. Matetika, ohatra, ny vehivavy no tsy maintsy mitaiza ny ankizy, rehefa misaraka izy roa.

 Tadidio àry izao: Misy vokany ratsy ny manao tokantranomaso, ary izany vokany ratsy izany dia mety ho betsaka lavitra noho izay eritreretina ho tombony azo amin’ilay izy.

 Torolalan’ny Baiboly: “Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Ilay mampianatra anao mba hahitanao soa.”​—Isaia 48:17.

 Hanampy anao hifidy izay vady mifanentana aminao ve izany?

 Misy mieritreritra hoe marina izany. Hoy anefa ilay boky hoe Fighting for Your Marriage: “Matetika ny olona manao tokantranomaso alohan’ny fanambadiany no tsy mahatsapa hoe manasarotra kokoa ny hisarahan-dry zareo izany.” Fa maninona? Mety ho hitan’izy roa hoe tena tsy mifanentana mihitsy izy ireo, nefa voatery miara-mipetraka ihany satria manana biby iarahana mikarakara ao an-trano, na niara-nanao sonia fifanekena momba ny trano hofany, na bevohoka ilay vehivavy. Hitan’ny mpikaroka hoe efa lasa zatra loatra miara-mipetraka ry zareo, dia hoatran’ny tsy afa-miala intsony. b Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia “misy olona azo inoana hoe te hisaraka alohan’ny fanambadiany, nefa lasa mivady ihany satria fotsiny hoe izany no mora atao kokoa”, hoy ihany ilay boky etsy aloha.

 Tadidio àry izao: Tsy manampy anao hahay hanapa-kevitra ny manao tokantranomaso, fa vao mainka aza mety hanasarotra ny fisarahana amin’ilay olona tsy mifanentana aminao.

 Torolalan’ny Baiboly: “Mahatsinjo ny loza ny olona malina ka miafina, fa izay tsy dia nahita fiainana kosa mbola miroso ihany ka voa.”​—Ohabolana 22:3.

 Inona ny safidy tsara kokoa?

 Azo atao ny misoroka ny voka-dratsin’ny fanaovana tokantranomaso sy manao izay hahazoana tokantrano sambatra. Amin’ny fomba ahoana? Araho ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fanambadiana. Makà fotoana ampy tsara mba hahafantarana an’ilay olona tianao ho lasa vadinao, alohan’ny tena hanambadianao azy. Aleo mifidy vady hitanao hoe mitovy amin’ny anao ny zavatra heveriny ho zava-dehibe sy ny zavatra inoany, toy izay mifidy vady manintona anao fotsiny.

 Misy torohevitra afaka manampy anao hanorina tokantrano sambatra ao amin’ny Baiboly. c Afaka manampy, ohatra, ny torolalan’ny Baiboly mba:

 Raha tianao ny hahafantatra kokoa momba an’ireo, dia jereo ilay hoe “Tokantrano sy Fitaizana” ato amin’ny jw.org.

 Torolalan’ny Baiboly: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana.”​—2 Timoty 3:16.

b Avy ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Sliding Versus Deciding: Inertia and the Premarital Cohabitation Effect”, nosoratan’i Scott M. Stanley, Galena Kline Rhoades ary Howard J. Markman, ao amin’ny gazety Family Relations.

c Amin’ny kolontsaina sasany, dia manampy ny zanany lahy na ny zanany vavy hifidy vady ny ray aman-dreny. Raha izany no izy, dia afaka manampy ny ray aman-dreny ny Baiboly mba hamantatra ny toetra tokony hojerena amin’ilay hofidina ho vadin-janany.