Hijery ny anatiny

HO AN’NY FIANAKAVIANA | TOKANTRANO

Fisotroana Toaka Tafahoatra ao An-tokantrano

Fisotroana Toaka Tafahoatra ao An-tokantrano

 Manahy ve ny vadinao hoe lasa zatra misotro be loatra ianao? Raha izany, dia misy zavatra vitsivitsy mila dinihinao.

Ho hitantsika ato hoe:

 Tsy miaraka ny tokantrano sambatra sy ny toaka be loatra

 Raha misotro tafahoatra ny olona iray, dia betsaka ny aretina mety ho azony, anisan’izany ny aretim-po sy aretin’aty ary kansera. Tsy ny fahasalamana ihany anefa no simba vokatry ny fisotroana tafahoatra, fa ny tokantrano koa. Vao mainka hatahorana hisy herisetra na olana ara-bola, ohatra, ao an-tokantrano, na mety hampirafy ny iray amin’izy mivady, na hisaraka mihitsy.

 Milaza ny Baiboly fa raha lasa misotro toaka tafahoatra ny olona iray, dia “hanaikitra hoatran’ny menarana” izany, ary “hamoaka poizina hoatran’ny bibilava.” (Ohabolana 23:32) Ahoana no hamantarana raha efa miankin-doha amin’ny toaka ianao?

 Miankin-doha amin’ny toaka ve ianao?

 Hanampy anao hahafantatra an’izany ireto:

  •   Tsy mahavita mifehy tena ve ianao rehefa misotro?

  •   Mieritreritra foana ve ianao hoe rahoviana indray no hisotro?

  •   Mbola misotro ihany ve ianao na dia efa mampisy olana eo amin’ny fiainanao aza izany, ohatra hoe ao an-tokantranonao?

  •   Mahatsiaro ho tsy metimety ve ianao rehefa manandrana miala amin’ilay izy?

  •   Lasa mifamaly amin’ny vadinao ve ianao rehefa misotro?

  •   Lasa miha mahazaka toaka ve ianao raha oharina amin’ny taloha?

  •   Manafina toaka na misotro miafina ve ianao ao an-trano na any am-piasana?

 Raha eny ny valin’ny iray na ny sasany amin’ireo fanontaniana ireo, dia mety ho efa lasa miankin-doha amin’ny toaka ianao. Mety hoe tsy mahavita mifehy tena ianao dia lasa andevozin’ilay izy.

 Aza odiana tsy hita raha manana olana amin’ny toaka ianao

 Manahy ve ny vadinao noho ianao misotro toaka? Raha izany, dia mety ho nohamaivaninao ilay izy na ianao nanamarin-tena. Nanome tsiny ny hafa angamba ianao, anisan’izany ny vadinao, dia mety ho niteny zavatra hoatr’izao:

  •   “Raha nokarakarainao tsara aho, dia tsy ho nisotro hoatr’izao.”

  •   “Raha ianao no manao ny asako, dia mino aho hoe nisotro koa ianao.”

  •   “Izaho àry mahalala olona be dia be mbola misotro be noho izaho ko!”

 Raha miteny hoatran’izany ianao, dia tsy efa midika ve izany hoe ny misotro no tianao kokoa noho ny hoe manana tokantrano sambatra? Iza amin’ireo no tokony ho zava-dehibe aminao?

 Torolalan’ny Baiboly: “Ny lehilahy manambady kosa manahy ... hoe ahoana no hahazoany sitraka amin’ny vadiny.”​—1 Korintianina 7:33.

Hoatran’ny hoe manisy rindrina manasaraka anareo mivady ianao raha odianao tsy hita ny fanahiany. Tsy aleo ve mihaino azy, amin’izay hoatran’ny hoe manisy varavarankely mampifandray anareo?

 Inona no azonao atao?

  •   Tandremo sao tsy miraharaha an’izay mampanahy ny vadinao. Na dia tsapanao aza hoe manahy tafahoatra izy, dia maninona raha ovana ihany ny fahazaranao misotro? Andao anefa hatao hoe tsy vitanao izany fa mbola misisika misotro ihany ianao, na dia efa mampanahy ny vadinao aza ilay izy. Inona no dikan’izany? Hoe efa ilay toaka mihitsy izany no lasa mampisy olana.

     Torolalan’ny Baiboly: “Aoka ny tsirairay hitady foana an’izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany.”​—1 Korintianina 10:24.

  •   Fantaro izay tena marina. Mila mahafantatra ny tetikady ampiasain’ny fahavalony ny miaramila iray vao afaka ny handresy. Hoatr’izany koa fa mila hainao hoe hoatran’ny ahoana izany hoe miankin-doha amin’ny toaka izany ary inona no mahatonga an’ilay izy. Mila fantarinao koa hoe inona avy ny fomba mandaitra hanampy anao mba tsy handevozin’ny toaka intsony sy tsy ho lavo indray.

     Torolalan’ny Baiboly: “[Tohero] foana ny fanirian’ny nofo, izay miady aminareo.”​—1 Petera 2:11.

  •   Mitadiava fanampiana. Misy fanampiana isan-karazany natokana ho an’ireo olona andevozin’ny toaka, ohatra hoe any amin’ny toeram-pitsaboana sy hopitaly ary centres de désintoxication. Afaka manontany namana matotra koa ianao mba hahitanao an’izay mbola mahatonga anao hiankin-doha amin’ny toaka. Mety hisy zavatra tsy tsikaritrao mantsy nefa hasehony anao. Azonao antsoina iny namanao iny isaky ny tsapanao hoe mitady tsy hahatohitra an’ilay fahazaran-dratsy ianao.

    Mila manatona dokotera matihanina mihitsy angamba ianao

     Torolalan’ny Baiboly: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady tena rahalahy natao hanampy amin’ny fotoan-tsarotra.”​—Ohabolana 17:17.

 Ady mafy izany hoe tsy miankin-doha amin’ny toaka izany intsony. Tsy vitan’ny hoe mamaky lahatsoratra fohy mantsy izany, na miteny fotsiny hoe “ao fa tsy hisotro be intsony aho e!” Mila mitandrina anefa ianao satria samy ho simba na ny fahasalamanao na ny tokantranonao raha misotro toaka tafahoatra ianao.

 Raha mila fanazavana fanampiny, dia vakio ireto lahatsoratra ireto mba hahitanao hoe inona no nanampy ny olona sasany tsy ho andevozin’ny toaka intsony:

 Tsy Mahery Setra Be Intsony Aho

 Tsy Mahamenatra Ahy Intsony Izao ny Fiainako

 Tsisy Trano Nipetrahana Aho

 Jereo koa ilay video hoe ‘Nankaleo Ahy ny Fomba Fiainako’