TAHAFO NY FINOAN’IZY IREO | ELIA
Niaritra Hatramin’ny Farany Izy
Efa fotsy volo i Elia mpaminany tamin’izay. Henony hoe maty, hono, i Ahaba Mpanjaka. Lasa am-borona àry i Elia. Alao sary an-tsaina ange e! Io izy fa misafosafo ny volombavany sady mieritreritra ny zavatra rehetra nataon’i Ahaba. Mangidy loatra ny nataon’io mpanjaka ratsy fanahy io taminy, nandritra ny am-polony taona maro! Efa impiry impiry moa i Ahaba sy Jezebela vadiny no nandrahona sy nanenjika azy! Nifofo ny ainy mihitsy aza ry zareo. Be dia be koa ny mpaminanin’i Jehovah nasain’i Jezebela novonoina. Ny mpanjaka anefa amin’izany nijery fotsiny. Nitsiriritra ny fananan’i Nabota koa izy mivady ka nitady hevitra hamonoana azy sy ny zanany lahy. Olo-marina anefa i Nabota sady tsy hoe nisy ratsy nataony. Nasain’i Jehovah niteny tamin’i Ahaba àry i Elia hoe haringany izy sy ny taranany. Dia maty tokoa i Ahaba, sady izay nolazain’i Jehovah hoe hitranga aminy mihitsy no nitranga.—1 Mpanjaka 18:4; 21:1-26; 22:37, 38; 2 Mpanjaka 9:26.
Fantatr’i Elia anefa hoe mbola tsy maintsy miaritra izy. Mbola velona mantsy i Jezebela, ary mbola mitaona ny fianakaviany sy ny vahoaka hanao ratsy foana. Ho mafy kokoa noho ny hatramin’izay àry ny miandry an’i Elia. Mbola betsaka koa ny zavatra tsy maintsy ampianariny an’i Elisa. I Elisa mantsy no handimby azy. Maromaro ihany ny asa faramparany mila ataon’i Elia. Hijery telo amin’izany isika. Ho hitantsika hoe nanana finoana matanjaka izy ka nahavita niaritra. Hampahery antsika ny tantarany satria miaritra ny mafy hoatr’azy koa isika amin’izao.
Niteny an’i Ahazia
I Ahazia, zanak’i Ahaba sy Jezebela, no lasa mpanjakan’ny Israely. Tsy mba nandray lesona avy tamin’ny hadalan’ny ray aman-dreniny izy. (1 Mpanjaka 22:52) Nivavaka tamin’i Bala izy, hoatran’ny nataon’izy ireo ihany. Nanao zavatra maharikoriko ny mpivavaka tamin’i Bala. Nampirisihin-dry zareo hivaro-tena tao amin’ny tempoly, ohatra, ny olona, ary nasainy nanao sorona ankizy mihitsy aza. Tena tsy niraharaha an’i Jehovah i Ahazia sy ny vahoakany. Mbola hiova ihany ve izy? Ho vitany koa ve ny hitarika ny vahoaka hanao ny tsara indray?
Mbola tanora i Ahazia tamin’izany. Loza fa nianjera avy teo amin’ny makarakara tany an-tampon-tranony izy, indray andro, ka naratra be. Efa natahorana ny ainy, nefa mbola niavonavona ihany izy fa tsy nila vonjy tamin’i Jehovah. Tany amin’ny Filistinina fahavalon-dry zareo indray izy no nila vonjy. Naniraka olona tany Ekrona izy mba hanontany an’i Bala-zeboba, andriamanitry ny Filistinina, hoe mbola ho sitrana ihany sa tsia. Tafahoatra loatra ny nataony ka tezitra be i Jehovah! Nandefa anjely tany amin’i Elia àry i Jehovah. Nasainy nosakanan’i Elia ireo iraka ireo, ary nasainy niteny tamin’i Ahazia hoe: “Fa angaha dia tsy misy Andriamanitra mihitsy eto amin’ny Israely?” Tena ratsy be ny nataon’i Ahazia, ka henjana ny sazy azony. Nilaza i Jehovah hoe tsy ho sitrana intsony izy.—2 Mpanjaka 1:2-4.
Tsy mba nibebaka akory i Ahazia, fa mbola aviavy be ihany ka nanontany hoe “lehilahy manao ahoana” no nampitondra an’ilay hafatra. Noresahin’ireo iraka hoe hoatran’ny ahoana ny akanjony. Tonga dia fantatr’i Ahazia hoe akanjona mpaminany ilay izy satria tsotsotra. Hainy àry hoe i Elia ilay olona. (2 Mpanjaka 1:7, 8) Ny akanjon’i Elia dia efa nahafantarana azy. Tsotra ny akanjony, ka midika izany fa tsotra ny fiainany. Nifantoka tamin’ny fanompoana an’i Jehovah izy. Tsy hoatr’izany mihitsy i Ahazia sy ny ray aman-dreniny. Tsy nety nionona tamin’izay nananany ry zareo, fa te hanan-karena foana. Miezaha àry hanana fiainana tsotra hoatran’i Elia, ary mifantoha amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Izany rahateo no nasain’i Jesosy hataontsika.—Matio 6:22-24.
Te hamaly faty an’i Elia i Ahazia, ka nandefa mpitari-tafika iray sy miaramila 50 hisambotra azy. “Nipetraka teo an-tampon’ny tendrombohitra” * i Elia tamin’izay. Tonga dia nibaikobaiko azy ilay mpitari-tafika hoe: “‘Midìna ianao’, hoy ny mpanjaka.” Saika hoentin-dry zareo hovonoina angamba i Elia. Eritrereto ange e! Fantatry ry zareo hoe “lehilahin’Andriamanitra” i Elia, nefa mbola sahiny ihany ny nandrahona azy. Tena tsy nety ny nataon-dry zareo! Hoy àry i Elia: “Raha lehilahin’Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo hilatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny miaramilanao dimampolo.” Dia nataon’i Jehovah tokoa izany. “Nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra, ka nandevona azy sy ny miaramilany dimampolo.” (2 Mpanjaka 1:9, 10) Nampalahelo ny niafaran’ireo miaramila ireo. Tsy avelan’i Jehovah ho afa-maina àry izay manao tsinontsinona ny mpanompony.—1 Tantara 16:21, 22.
Naniraka mpitari-tafika sy miaramila 50 hafa indray i Ahazia. Vao mainka sahisahy noho ilay mpitari-tafika voalohany ilay faharoa. Tsy nahataitra azy akory hoe maty ireo miaramila 51 teo alohany, na dia mety hoe mbola hitany niparitadritaka teo aza ny lavenona avy tamin’ny fatin-dry zareo. Nibaikobaiko be an’i Elia koa izy sady vao mainka aza nasainy nidina “haingana” i Elia. Adala mihitsy ilay mpitari-tafika! Maty kilan’ny afo koa àry izy sy ny miaramilany. Ilay mpanjaka anefa no tena adala. Tsy nampihontsina azy akory hoe efa betsaka ny miaramilany maty, fa vao mainka indray izy nandefa miaramila hafa. Soa ihany fa mba nisaina tsara ilay mpitari-tafika nalefany. Nanetry tena ilay mpitari-tafika, ka niangavy an’i Elia mba tsy hamono azy sy ny miaramilany. Nanahaka an’i Jehovah i Elia ka namindra fo. Nasain’ny anjelin’i Jehovah nanaraka an-dry zareo izy. Dia lasa tokoa i Elia, ary naveriny tamin’ilay mpanjaka ratsy fanahy hoe ho faty izy, araka ny tenin’i Jehovah. Tanteraka izany avy eo satria maty i Ahazia. Roa taona monja izy no nanjaka.—2 Mpanjaka 1:11-17.
Nikomy tamin’i Jehovah ny olona tamin’izany sady mafy loha. Inona àry no nanampy an’i Elia hiaritra? Tadidinao ve hoe taiza i Elia tamin’izy hitan’ny miaramilan’i Ahazia? “Teo an-tampon’ny tendrombohitra” izy. Tsy lazain’ny Baiboly hoe inona no nataony teny. Olona tia mivavaka anefa izy, ka azo inoana fa teny no hitany hoe nety tsara mba hiresahana tamin’i Jehovah, ilay namany tena tiany. (Jakoba 5:16-18) Nangingina tsara mantsy teny. Inona no ianarantsika avy amin’izay nataon’i Elia? Efa nisy fotoana angamba ianao sosotra sady diso fanantenana, satria misy namanao na havanao mafy loha be, na dia efa hitany aza hoe mampidi-doza ny zavatra ataony. Inona anefa no hanampy anao hiaritra? Miezaha hanokana fotoana hiresahana tsy tapaka amin’Andriamanitra. Tonòny mihitsy ny anarany, ary aza misy afenina aminy izay mahazo anao sy mampiady saina anao. Hahavita hiaritra ianao amin’izay na dia sahisahy ratsy aza ny olona manodidina anao, sady tsy miraharaha an’izay ho vokatry ny ataony.
Nanome andraikitra an’i Elisa
Vita ny asan’i Elia rehefa nandeha ny fotoana. I Elisa indray izao no handimby azy. Inona àry no nataon’i Elia? Handeha hiala tao Gilgala izy sy Elisa, indray andro. Vao niainga ry zareo, dia tsy navelan’i Elia hanaraka azy i Elisa. Nirahin’i Jehovah ho any Betela, hono, izy, any amin’ny 11 kilaometatra eo ho eo miala eo. Tsy nanaiky anefa i Elisa, fa niteny hoe: “Raha mbola velona koa i Jehovah, ary raha mbola velon’aina koa ianao, dia tsy handao anao aho.” Rehefa tonga tany Betela ry zareo, dia niteny indray i Elia hoe ho any Jeriko, any amin’ny 22 kilaometatra eo ho eo miala eo. Tsy navelany nandeha i Elisa, nefa mbola tsy nanaiky indray. Dia hoatr’izay ihany no nitranga avy eo, rehefa niteny i Elia hoe ho any amin’ny Reniranon’i Jordana, any amin’ny 8 kilaometatra eo ho eo miala eo. Tsy nety mihitsy i Elisa, fa hoe hiaraka amin’i Elia foana!—2 Mpanjaka 2:1-6.
Tia an’i Elia hatramin’ny farany i Elisa. Tsy nahafoy an’i Elia mihitsy izy, fa niaraka taminy foana. Tadidinao angamba fa izany koa no nataon’i Rota tamin’i Naomy. (Rota 1:15, 16) Tena mila manana an’io karazana fitiavana io daholo ny mpanompon’Andriamanitra, indrindra amin’izao fotoana iainantsika izao. Sa tsy izany?
Azo antoka fa tena nampahery an’i Elia ny nataon’i Elisa. Tia azy mantsy i Elisa sady tsy nahafoy azy. Notahin’i Jehovah àry i Elisa, ka nahita ny fahagagana farany nataon’i Elia. Teo amoron’ny Reniranon’i Jordana ilay izy. Misasasasa be io renirano io sady lalina. Nokapohin’i Elia tamin’ilay akanjona mpaminany nanaovany ilay rano, dia nizara roa! Nisy “dimampolo lahy zanaky ny mpaminany” koa nahita an’io fahagagana io. (2 Mpanjaka 2:7, 8) Nampiofanin’i Elia koa angamba izy ireo mba hiandraikitra ny fivavahana marina. Nisy fotoana mantsy i Elia efa nieritreritra hoe izy irery sisa no mpanompon’i Jehovah tsy nivadika tany Israely. Niaritra anefa izy, ka nasehon’i Jehovah azy hoe mbola nisy olon-kafa koa tena nafana fo tamin’ny fanompoana an’i Jehovah.—1 Mpanjaka 19:10.
Rehefa tafampita an’i Jordana izy roa lahy, dia niteny tamin’i Elisa i Elia hoe: “Angataho izay tokony hataoko ho anao, alohan’ny hakana ahy hiala aminao.” Fantany mantsy hoe efa tokony hisaraka amin’izay ry zareo. Hahazo tombontsoa be dia be i Elisa manomboka eo, sady halaza na dia mbola tanora aza. Tsy nialona azy anefa i Elia, fa mbola te hanao izay azony atao mba hanampiana azy. Nasainy nangataka an’izay tiany àry i Elisa. Izao fotsiny no nangatahin’i Elisa: “Aoka aho mba hahazo anjaran’olon-droa amin’ny fanahy miasa aminao.” (2 Mpanjaka 2:9) Tsy hoe nangataka fanahy masina avo roa heny noho ny an’i Elia akory izy. Inona kosa no tiany hotenenina? Rehefa nizara lova ny Israelita, dia nahazo anjaran’olon-droa ny zanaka lahimatoa. Ny lovany no natao betsaka indrindra satria izy no hiandraikitra ny fianakaviana. (Deoteronomia 21:17) Toy ny hoe nandova an’i Elia i Elisa satria nafindra taminy ny andraikiny. Nangataka ny ho be herim-po hoatran’i Elia àry izy.
Nanetry tena i Elia, ka i Jehovah no navelany hampahafantatra tamin’i Elisa hoe hahazo an’izay nangatahany izy sa tsia. Nilaza i Elia hoe hisy zavatra hataon’i Jehovah mba hampisarahana azy roa lahy, ka raha hitan’i Elisa ilay izy, dia midika izany fa ho azony izay nangatahany. Nisy zava-mahagaga tokoa avy eo, raha mbola “niresaka” ry zareo “teny am-pandehanana.”—2 Mpanjaka 2:10, 11.
Samy nahavita niaritra i Elia sy Elisa satria tsy nifankafoy mihitsy
Nisy zavatra nanjelanjelatra be teny amin’ny lanitra. Alao sary an-tsaina ange e! Iny ilay izy fa nihananatona azy roa lahy, sady niaraka tamin’ny tafio-drivotra be! Mafy be mihitsy ny feon’ilay rivotra. Tonga dia nanitsy be nankeo afovoan’izy roa lahy ilay zavatra manjelanjelatra. Taitra be ry zareo, ka nihemotra haingana sady saika nianjera mihitsy angamba! Hay ilay izy kalesy taritina soavaly! Hoatran’ny afo miredareda ny paoziny. Tonga àry ny fotoana handehanan’i Elia. Niakatra tao amin’ilay kalesy ve izy? Tsy resahin’ny Baiboly izany. Azo antoka anefa fa nahatsapa izy hoe niainga tsikelikely niala tamin’ny tany, nanaraka an’ilay tafio-drivotra. Dia niakatra izy, dia niakatra!
Tena nahagaga ilay izy, ka variana teo i Elisa! Nahita ny nandehanan’i Elia izy. Fantany àry hoe homen’i Jehovah azy izay nangatahany, ka ho lasa be herim-po hoatran’i Elia izy. Mbola tsy any amin’izany mihitsy anefa aloha izao ny sainy, satria mbola malahelo be izy. Lasa mantsy ilay namana tsy foiny sady mpampianatra tena tiany, nefa tsy hainy hoe ho aiza. Mety tsy hifankahita intsony ry zareo! Niantsoantso izy hoe: “Ry raiko ô, ry raiko ô, ny kalesin’adin’ny Israely mbamin’ny mpitaingin-tsoavaliny!” Iny fa lasa ilay kalesy, dia tsy hita intsony. Nandrovitra ny akanjony sisa no azony natao.—2 Mpanjaka 2:12.
Henon’i Elia angamba ny antsoantson’ilay namany, ka nila tsy ho zakany. Mety hoe latsaka hatramin’ny ranomasony mihitsy aza. Nana-namana tokoa izy nanana an’i Elisa. Tsy nanary azy tamin’ny sarotra mihitsy i Elisa, fa nanampy azy hiaritra foana. Tahafo àry i Elia, ka olona tia an’Andriamanitra sy manao ny sitrapony atao namana.
Ny asa farany nanendrena azy
Nankaiza i Elia? Misy fivavahana milaza hoe nalain’Andriamanitra ho any aminy any an-danitra izy. Diso anefa izany. Nilaza mantsy i Jesosy Kristy, taonjato maro tatỳ aoriana, hoe mbola tsy nisy niakatra tany an-danitra talohany. (Jaona 3:13) Inona àry izany ilay “lanitra” niakaran’i Elia? (2 Mpanjaka 2:11) Tsy ilay lanitra ipetrahan’i Jehovah ihany no atao hoe “lanitra” ao amin’ny Baiboly, fa io habakabaka tazantsika io koa, izany hoe ilay faritra misy rahona sy vorona manidina. (Salamo 147:8) Teny amin’io lanitra io i Elia no niakatra. Nankaiza anefa izy avy eo?
Nalefan’i Jehovah tany an-toeran-kafa fotsiny izy, tany amin’ny fanjakan’ny Joda. Tantarain’ny Baiboly hoe mbola naminany tany i Elia taorian’ilay nisarahan’izy roa lahy, angamba afaka fito taona teo ho eo. I Jorama, mpanjaka ratsy fanahy, no nanjaka tany Joda tamin’izany. Nanambady ny zanak’i Ahaba sy Jezebela izy. Mbola nanao zava-dratsy foana àry ny vahoaka. Nasain’i Jehovah nanoratra ho an’i Jorama i Elia hoe hisy zavatra mahatsiravina be hahazo azy, ary ho faty izy avy eo. Izany tokoa no nitranga. Tsy vitan’izay fa “tsy nisy nalahelo azy” rehefa maty izy.—2 Tantara 21:12-20.
Tsy nitovy tamin’izany mihitsy ny niafaran’i Elia. Tsy haintsika aloha hoe oviana izy no maty, dia inona no nahafaty azy. Azo antoka anefa fa tsy hoatran’i Jorama izy, satria nisy olona nalahelo azy. Manimanina azy, ohatra, i Elisa sy ireo mpaminany hafa tsy nivadika tamin’i Jehovah. Na i Jehovah aza mbola nahatsiaro azy, 1 000 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Rehefa niova tarehy mantsy i Jesosy, dia nataon’i Jehovah hita teo koa i Elia, na dia efa maty aza izy. (Matio 17:1-9) Te hahavita hiaritra sy hanana finoana matanjaka hoatran’i Elia ve ianao? Miezaha àry hinamana amin’ny olona tia an’Andriamanitra. Mifantoha foana amin’ny fanompoana azy. Aza hadinoina koa ny mivavaka matetika, sady ataovy vokatry ny fo. Ho tian’i Jehovah mandrakizay ianao, raha manao an’izany.
^ feh. 6 Tsy resahin’ny Baiboly ny anaran’ilay tendrombohitra, na dia misy manam-pahaizana milaza aza hoe Tendrombohitra Karmela ilay izy. Tany Karmela i Elia no nampiasain’Andriamanitra hamono ny mpaminanin’i Bala, taona vitsivitsy talohan’io.